1 "Amin'izany andro izany dia hisy loharano hisokatra ho an'ny ankohonan'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema, nohon'ny fahotan'izy ireo sy ny tsy fahadiovan'izy ireo. 2 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanafoanako ny anaran'ireo sampy amin'ny tany mba tsy ho tsaroana intsony izy ireo. Hampivoaka ireo mpaminany tsy marina sy ny fanahy maloton'izy ireo amin'ny tany ihany koa Aho. 3 Raha misy olona manohy maminany, dia hiteny aminy ny rainy sy ny reniny izay niteraka azy hoe: 'Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Yaveh!' Avy eo ny ray sy ny reny izay niteraka azy handefona azy rehefa maminany izy. 4 Amin'izany andro izany ny mpaminany tsirairay dia ho menatra amin'ny fahitany rehefa eo am-paminaniana izy. Ireo mpaminany ireo dia tsy hanao lamba voloina, mba hamitahana ny olona intsony. 5 Fa ny tsirairay hiteny hoe: 'Tsy mpaminany aho! Lehilahy miasa tany aho, satria ny tany no lasa asako raha mbola tovolahy aho!' 6 Fa hisy olona iray hiteny aminy hoe: 'Inona ireo ratra eo anelanelan'ireo sandrinao ireo?' ary hamaly izy hoe: 'Naratra niaraka tamin'ireo izay tao amin'ny tranon'ireo namako aho."' 7 "Ry sabatra! Asandrato amin'ny mpiandry ondriko, ilay lehilahy izay mitsangana eto akaikiko ny tenanao—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. Veleso ny mpiandry ondry, dia hiparitaka ireo ondry! Fa hamerina ny tanako hanohitra ireo madinika Aho. 8 Ary manerana ny tany rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hisy roa ampahatelon'izany hofoanana! Ho levona ireo olona ireo; iray ampahatelony ihany no hijanona any. 9 Ho entiko amin'ny afo io ampahatelony io ary ho dioviko tahaka ny manadio volafotsy izy ireo; ho zahako tahaka ny volamena voazaha izy ireo. Hiantso ny anarako izy ireo, ka hamaly azy ireo Aho ary hanao hoe: 'Ity no oloko!' ary hiteny izy ireo hoe: 'Yaveh no Andriamanitro!"''