1 Vohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao! 2 Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nianjera ny hazo sedera! Ireo avo dia efa nofongorana! Misaonà, ianareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka. 3 Midradradradra ireo mpiandry ondry, fa efa rava ny voninahitr'izy ireo! Mierona ny feon'ny zanaky ny liona, fa efa rava ny reharehan'ny Ony Jordana! 4 Fa izao no lazain'i Yaveh Andriamanitro: "Tahaka ny mpiandry ondry, miambina ny ondry izay ho vonoina! 5 (mamono azy ireo ilay mividy azy ary tsy voasazy, ary ilay mivarotra azy ireo manao hoe: 'Isaorana anie Yaveh! Efa tonga mpanan-karena aho!' fa ireo mpiandry miasa ho an'ireo tompon'ondry dia tsy niantra azy ireo.) 6 Fa tsy hiantra ny mponin'ny tany intsony Aho!—izany no fanambaran'i Yaveh. Indro! Ny tenako mihitsy no hamerina ny olona rehetra eo an-tanan'ny namany sy eo an-tanan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany izy ireo ary tsy hisy na iray amin'izy ireo aza hafahako eo an-tanan'izy ireo." 7 Koa dia lasa mpiandry ny ondry voalahatra ho vonoina Aho, ho an'ireo izay nitondra ny ondry. Nandray tehina roa Aho; ny tehina iray nantsoiko hoe "Fahasoavana" ary ilay hafa nantsoiko hoe "Fikambanana". Tamin'izany fomba izany no niandrasako ny ondry. 8 Mpiandry ondry telo no novonoiko tao anatin'ny iray volana, satria tsy naharitra tamin'izy ireo aho, ary nankahala ahy rahateo izy ireo. 9 Dia hoy aho tamin'ny tompon'ondry hoe: "Tsy hiasa ho mpiandry ondrinao intsony aho. Ny ondry izay maty—dia aleo ho faty, ny ondry izay ringana—dia aleo ho ringana. Aoka ny ondry izay sisa tavela samy hihinana ny nofon'ny namany." 10 Dia noraisiko ny tehiko ''Fahasoavana" ary nosimbaiko izany mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ireo fokoko rehetra. 11 Tamin'izany andro izany dia rava ilay fanekena, ka ireo izay nitondra ny ondry sy nijery Ahy dia nahafantatra fa niteny Yaveh. 12 Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Raha toa ka tsara aminareo izany, dia aloavy ny karamako. Fa raha tsy izany, dia aoka ihany." Ka dia nolanjain'izy ireo ny karamako—sekely volafotsy telopolo. 13 Ary hoy Yaveh tamiko hoe: "Apetraho ao amin'ny fitoeran-drakitra ny volafotsy, ny sanda tsara indrindra izay nanombanan'izy ireo anao!" Ka dia nalaiko ny sekely volafotsy telopolo ary napetrako tao amin'ny fitoeran-drakotra tao an-tranon'i Yaveh. 14 Avy eo nopotehiko ny tehiko faharoa, "Fikambanana," mba hamotehana ny firahalahian'i Joda sy Israely. 15 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Alaivo ho an'ny tenanao indray ny fitaovan'ny mpiandry ondry adala, 16 fa indro, hametraka mpiandry ondry eo amin'ny tany Aho. Tsy hiraharaha ny ondry maty izy. Tsy hitady ny ondry very izy, na koa hanasitrana ny mandringa. Tsy hamahana ny ondry izay salama izy, fa hihinana ny nofon'ny ondry matavy ary hamiravira ny kitron'ireo. 17 Loza ho an'ny mpiandry ondry tsy mendrika izay mahafoy ny ondry! Hamely ny sandriny sy ny masony an-kavanana anie ny sabatra! Halazo anie ny sandriny ary ho jamba ny masony ankavanana!"