Toko faha 10

1 Mangataha orana amin'i Yaveh amin'ny vanim-potoan'ny oran-dohataona—Yaveh izay manao kotrokorana—ary manome orana mivatravatra ho an'ny olon-drehetra sy ny zava-maitso eny an-tsaha. 2 Fa ireo sampy ao an-tokatrano dia miteny lainga; ny mpisikidy manao sary an-tsaina lainga; miteny nofy fitaka izy ireo ary manome fampiononana foana, ka mirenireny toy ny ondry ary mijaly nohon'ny tsy fisian'ny mpiandry izy ireo. 3 Ny hatezerako dia mirehitra amin'ireo mpiandry ondry; ireo osilahy— mpitarika—no ho faiziko. Yaveh tompon'ny maro ihany koa dia hanatrika ireo ondriny, dia ny taranak'i Joda, ary hanao azy ireo toy ny soavaly fentiny any amin'ny ady! 4 Avy amin'izy ireo no hiavian'ny vato fehizoro; avy amin'izy ireo no hiavian'ny fihantonan-javatry ny lay; avy amin'izy ireo no hiavian'ny tsipìka fiadiana; avy amin'izy ireo no hiavian'ny mpitarika rehetra hiaraka. [Fanamarihana: Maro amin'ny dikan-teny ankehitriny no mametraka ny hevitry ny "hiaraka" ao amin'ny fiatombohan'ny andinin-teny manaraka.] 5 Ho toy ny mpiady izay manitsaka ny fahavalony eo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady izy ireo; hiady izy ireo, satria Yaveh no momba azy ireo, ary hahamenatra ireo izay mitaingina soavalin'ady izy ireo. 6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hamerina azy ireo amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amin'izy ireo. Ho toy ny hoe tsy nolaviko izy ireo, satria Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary hamaly azy ireo Aho. 7 Dia ho toy ny mpiady i Efraima, ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fon'izy ireo; hahita izany ireo zanany ka hifaly. Hifaly Amiko ny fon'izy ireo! 8 Hisioka ho azy ireo Aho ary hanangona azy ireo, satria hamonjy azy ireo Aho, ary ho tonga lehibe tahaka ny teo aloha izy ireo! 9 Namafy azy ireo teny amin'ireo olona Aho, nefa hahatsiaro Ahy any amin'ireo firenena lavitra izy ireo, ka ho velona sy hiverina izy ireo sy ny zanany. 10 Fa hampody azy ireo avy any amin'ny tany Egypta Aho ary hanangona azy ireo avy any Asyria. Hitondra azy ireo any amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona Aho mandra-paha tsy hisy efitrano ho azy ireo intsony. 11 Hamakivaky ny ranomasim-pahorian'izy ireo Aho; hamely ireo onjan'izany ranomasina izany Aho ary hanamaina ny lalin'i Neily rehetra. Hahetry ny voninahitr'i Asyria, ary ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana. 12 Hanamafy orina azy ireo amiko Aho, ary handeha amin'ny anarako izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.