1 Manjaka Yaveh; aoka hangovitra ireo firenena. Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny Kerobima Izy; mihorohoro ny tany. 2 Lehibe ao Ziona i Yaveh; asandratra ambonin'ireo firenena rehetra Izy. 3 Aoka izy ireny hidera ny anaranao lehibe sy mampahatahotra; masina Izy. 4 Mahery ny Mpanjaka, ary tia rariny Izy. Efa nampanjaka ny rariny Ianao; efa nanao fahamarinana sy rariny tamin'i Jakoba Ianao. 5 Miderà an'i Yaveh Andriamanintsika ary manompoa eo amin'ny fitoeran-tongony. Masina Izy. 6 Isan'ireo mpisorony i Mosesy sy Arona, ary Samoela dia isan'ireo izay nivavaka taminy. Nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo, ka namaly azy ireo Izy. 7 Niteny tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny andry rahona Izy. Nihazona ireo didiny masina izy ireo sy ireo lalàny izay nomeny azy ireo. 8 Namaly azy ireo Ianao, ry Yaveh Andriamanitray. Andriamanitra mpamela heloka Ianao tamin'izy ireo, nefa Ilay nanasazy tamin'ny fahotan'izy ireo. 9 Miderà an'i Yaveh Andriamanitsika, ary manompoa Azy ao amin'ny tendrombohiny masina, fa Yaveh andriamanitsika dia masina.