Salamo faha 100

Salamo fanomezam-pisaorana. 1 Mihobia am-pifaliana an'i Yaveh, ry tany rehetra. 2 Manompoa an'Yaveh am-piravoravoana; mandehana eo anatrehany amin'ny fihirana fihobiana. 3 Fantaro fa i Yaveh no Andriamanitra; nanao antsika Izy, ary Azy isika. Vahoakany sady ondrin'ny tanin'ny ahiny isika. 4 Midira amin'ireo vavahadiny am-panomezam-pisaorana ary ao amin'ireo kianjany amin-dera. Manomeza fisaorana Azy ary derao ny anarany. 5 Fa tsara i Yaveh; maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky ary manerana ireo taranaka rehetra ny fahamarinany.