1 Salamo nataon'i Davida. Hihira ny fanekena mahatoky sy fahamarinana; ho Anao, ry Yaveh, dia hihira fiderana aho. 2 Handeha amin'ny lala-marina aho. Hey, rahoviana no ho tonga eto amiko Ianao? Andeha amin'ny fahitsiana ao an-tranoko aho. 3 Tsy hanisy fahadisoana anoloan'ny masoko aho; halako ny ratsy tsy mendrika; tsy hifikitra amiko izany. 4 Handao ahy ny mpamadika; tsy hankasitraka ny ratsy aho. 5 Hopotehiko izay rehetra manendrikendrika mangingina ny mpiara-belona aminy. Tsy handefitra ny olona rehetra izay manana fihetsika mieboebo sy toe-tsaina miavonavona aho. 6 Hijery ny mahatoky eo amin'ny tany mba hipetraka eo anilako aho. Izay mandeha amin'ny lala-marina no hanompo ahy. 7 Tsy hitoetra ao an-tranoko ny olona mpamitaka; tsy ho tongasoa eo anoloan'ny masoko ny mpandainga. 8 Isa-maraina isa-maraina no hamotehako ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; ho esoriko avy ao amin'ny tanĂ nan'Yaveh ny mpanao ratsy rehetra.