Salamo faha 102

Ny fivavaky ny ory raha reraka izy ary mamoaka ny fitarainany anoloan'Yaveh. 1 Henoy ny fivavako, ry Yaveh; henoy ny tarainako Aminao. 2 Aza afenina amiko amin'ny androm-pahoriako ny tavanao. Henoy aho. Rehefa miantso Anao aho, dia valio faingana. 3 Mandalo tahaka ny setroka ireo androko, ary mandoro tahaka ny afo ny taolako. 4 Potiko ny foko, ary tahaka ny ahitra izay malazo aho. Adinoko ny mihinana ireo sakafo. 5 Noho ny fisentoako mandrakariva, dia lasa nahia fatratra aho. 6 Tahaka ny sama any an'efitra aho; lasa tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo aho. 7 Tsy mahita tory tahaka ny vorona mandeha irery aho; irery ao an-tampon-trano. 8 Miteny ratsy ahy ireo fahavaloko isanandro lava izao; ireo izay maneso ahy mampiasa ny anarako ho fanozonana.. 9 Mihinana lavenona tahaka ny mofo aho ary manafangaro ny zava-pisotroko amin'ny ranomaso. 10 Noho ny haviniran'ny fahatezeranao, no nanandratanao ahy mba hanatontana ahy. 11 Tahaka ny aloka izay malazo ny androko; ary nalazo tahaka ny ahitra aho. 12 Nefa, Ianao, ry Yaveh, dia velona mandrakizay, ary ho an'ireo taranaka rehetra ny lazanao. 13 Hitsangana Ianao ka hamindra fo amin'i Ziona. Izao no fotoana hamindrana fo aminy; tonga ny fotoana voatondro. 14 Fa ireo mpanomponao dia mitàna ireo vato ho malala ary mangoraka ny vovoky ny faharinganany. 15 Hanaja ny anaranao ireo firenena, ry Yaveh, ary hanome voninahitra ny voninahitrao ny mpanjakan'ny tany rehetra. 16 Hanamboatra an'i Ziona indray Yaveh ka hiseho ao amin'ny voninahiny. 17 Amin'izany fotoana izany, dia hamaly ny vavaky ny mahantra izy; tsy handà ny vavak'izy ireo Izy. 18 Hosoratana ho an'ireo taranaka ho avy izany, ary ny olona tsy mbola teraka dia hidera an'i Yaveh. 19 Fa efa niondrika nijery avy any amin'ny haavon'ny fahamasinany Izy; avy any an-danitra Yaveh no mijery ny tany, 20 mba handre ny fisentoan'ireo gadra, mba hamotsotra ireo izay voaheloka ho faty. 21 Dia hanambara ny anaran'i Yaveh any Ziona sy ny fiderana Azy any Jerosalema ny olona 22 rehefa miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ireo vahoaka sy ireo fanjakana. 23 Efa nesoriny tamiko teo antenantenan'ny fiainako ny heriko. Nafoheziny ny androko. 24 Hoy aho: "Andriamanitro o, aza esorina eo antenantenan'ny fiainako aho; fa eto mandritra ny taranaka rehetra Ianao. 25 Nametraka ny tany tamin'ny toerany Ianao fahiny; asan'ny tananao ny lanitra. 26 Ho levona ireo, fa Ianao hitoetra; hiha-antitra tahaka ny fitafiana avokoa ireo; tahaka ny akanjo, ho esorinao ireo, ka hanjavona. 27 Nefa Ianao tsy miova, ary tsy hanam-piafarana ny taonanao. 28 Ny zanak'ireo mpanomponao ho velona, ary ho velona eo anatrehanao ny taranak'izy ireo."