2 Salamo nataon'i Davida. 1 Hidera an'i Yaveh amin'ny aiko rehetra aho, ary amin'ny rehetra izay ato anatiko, hidera ny anarany masina aho. Hidera an'Yaveh amin'ny aiko rehetra aho, ary hahatsiaro ireo asa-soany rehetra. 3 Mamela ny fahotanao rehetra Izy; manasitrana ny aretinao rehetra Izy. 4 Manavotra ny ainao amin'ny faharavana Izy; manarona fanekena mahatoky anao Izy ary mamindra fo tokoa. 5 Manao izay mahafa-po ny fiainanao amin'ny zava-tsoa Izy mba ho vao tahaka ny voromahery indray ny fahatanoranao. 6 Manao izay rariny Yaveh ary manao ny asan'ny fahamarinana ho an'ireo izay ory rehetra. 7 Nampahafantariny an'i Mosesy ny lalany, tamin'ny taranak'Israely ireo asany. 8 Feno famindram-po ary mamindra fo Yaveh; maharitra Izy; manana fanekena mahatoky lehibe Izy. 9 Tsy hanafay mandrakariva Izy; tsy tezitra mandrakariva Izy. 10 Tsy manao antsika araka izay mendrika ny otatsika Izy na mamaly antsika araka izay takian'ny otatsika. 11 Tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no halehiben'ny fanekeny mahatoky amin'ireo izay manome voninahitra Azy. 12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana, dia izany no halavitry ny hanesorany ny heloky ny otatsika amintsika. 13 Tahaka ny ray mangoraka ireo zanany, no angorahan'i Yaveh ireo izay manome voninahitra Azy. 14 Fa fantany ny nanaovana antsika; fantany fa vovoka isika. 15 Ary ny olona, ireo androny dia tahaka ny ahitra; maniry tahaka ny voninkazo any an-tsaha izy. 16 Tsofin'ny rivotra izany, ka manjavona, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza hoe taiza no nanirian'izany taloha. 17 Nefa ny fanekena mahatokin'i Yaveh dia avy amin'ny maharitra mandrakizay hatramin'ny maharitra mandrakizay ho an'ireo izay manome voninahitra Azy. Mihitatra any amin'ny taranak'izy ireo ny fahamarinany. 18 Mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro ny fankatoavana ireo fampianarany izy ireo. 19 Efa nametraka ny seza fiandrianany any an-danitra i Yaveh, ary manapaka ny olona rehetra ny fanjakany. 20 Miderà an'i Yaveh, ianareo anjeliny, ianareo maheriny izay matanjaka sy manao ny teniny, ary mankato ny feon'ny teniny. 21 Miderà an'i Yaveh, ry miaramilany rehetra, ianareo dia mpanompony izay nanatanteraka ny sitra-pony. 22 Miderà an'i Yaveh, ry zava-boahariny rehetra, any amin'ny toerana rehetra izay anjakany. Hidera an'i Yaveh amin'ny aiko rehetra aho.