Salamo faha 104

1 Hidera an'i Yaveh amin'ny aiko rehetra aho, ry Yaveh Andriamanitro o, mahafinaritra loatra Ianao; mitafy famirapiratana sy voninahitra Ianao. 2 Mirakotra fahazavana ho fitafiana Ianao; velarinao tahaka ny lamban-day ny lanitra. 3 Napetrakao teo amin'ny rahona ireo andrin'ny tranonao; nataonao ho kalesinao ny rahona; mandeha eo amin'ireo elatry ny rivotra Ianao. 4 Nataony ho irany ny rivotra, ho mpanompony ny lelafo. 5 Nametraka ny fototry ny tany Izy, ka tsy hihozongozona mandrakizay izany. 6 Nanarona ny tany tamin'ny rano tahaka ny fitafiana Ianao; nanarona ireo tendrombohitra ny rano. 7 Ny teninao mafy no nampiala ny rano; tamin'ny fanenon'ny fikotrokotroky ny feonao no nampandositra ireny. 8 Nitsangana ireo tendrombohitra, ary ireo lohasaha niely tany amin'ireo toerana izay efa notendrenao ho an'ireo. 9 Namaritra sisitany ho an'ireny Ianao mba tsy hihoarany; tsy hanarona ny tany intsony ireny. 10 Nampikoriana loharano teny amin'ireo lohasaha Izy; mikoriana anelanelan'ireo tendrombohitra ny riana. 11 Mamatsy rano ho an'ny biby rehetra any an-tsaha ireny; dia afak'etaheta ireo ampondradia. 12 Manamboatra ny akaniny eo amoron'ny renirano ireo vorona. Mihira eny amin'ireo rantsankazo izy ireo. 13 Manondraka ireo tendrombohitra avy amin'ny fitoeran-dranony any an-danitra Izy. Feno vokatry ny asany ny tany. 14 Mampaniry ahitra ho an'ireo biby fiompy sy voly ho an'ny olona ho hambolena Izy mba ahafahan'ny olona mamokatra sakafo amin'ny tany. 15 Manao divay hampifaliana ny olona Izy, diloilo mba hampamiratra ny tavany, ary hanina mba hanohanana ny ainy. 16 Ireo hazon'i Yaveh dia mahazo orana be; ireo sederan'i Libanona izay namboleny. 17 Eo no anaovan'ireo vorona ny akaniny. Ny voron-kely manao ny hazo kypreso ho fonenany. 18 Ny osidia mipetraka eo aminin'ireo tendrombohitra avo; ary ny haavon'ny tendrombohitra no fialofan'ireo hyraka. 19 Nanendry ny volana ho mariky ny fotoana Izy; fantatry ny masoandro ny fotoana hilentehany. 20 Nataonao ny aizin'ny alina izay hivoahan'ny biby rehetra any an'ala. 21 Mierona ho an'ny hazany ireo liona tanora ary mitady ny haniny amin'Andriamanitra. 22 Rehefa miposaka ny masoandro, dia misintaka ireny ka matory any an-davany. 23 Mandritra izany fotoana izany, dia mivoaka ho any amin'ny asany ny olona ka miasa mandra-pahariva. 24 Yaveh o, endrey ny hamaroana sy karazan'ireo asanao! Nataonao tamim-pahendrena izy rehetra; henika ireo asanao ny tany. 25 Indro ny ranomasina, lalina sady midadasika, mihetsiketsika amin'ireo zava-boahary tsy voatanisa, dia ny madinika sy ny vaventy. 26 Mandeha eo ireo sambo, ary eo ihany koa ireo Trozona, izay nataonao hilalao an-dranomasina. 27 Ireo rehetra ireo dia mijery Anao mba hanome ny sakafony ara-potoan'ireo. 28 Rehefa manome ireo Ianao, dia miangona ireo; rehefa manokatra ny tananao Ianao, dia afa-po ireo. 29 Rehefa manafina ny tavanao Ianao, dia matahotra ireo; rehefa manala ny fofonain'ireo Ianao; dia maty ireo ka mody vovoka. 30 Rehefa mandefa ny Fanahinao Ianao, dia ary ireo, ary hanavao ny tany indray Ianao. 31 Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr'i Yaveh, hisitraka ny voahariny anie Yaveh. 32 Miondrika mijery ny tany Izy, dia mihozongozona izany; mikasika ireo tendrombohitra Izy; dia mamoaka setroka ireo. 33 Hihira ho an'i Yaveh ny androm-piainako rehetra; hihira fiderana an'Andriamanitro aho raha mbola velona. 34 Ho mamy aminy anie ireo fisainako; hifaly amin'i Yaveh aho. 35 Hanjavona eto tany anie ireo mpanota, ary aoko ho foana ny ratsy fanahy. Hidera an'i Yaveh amin'ny aiko rehetra aho. MiderĂ  an'i Yaveh.