Salamo faha 105

1 Misaora an'i Yaveh, antsoy ny anarany; ampahafantaro amin'ireo firenena ireo asany lehibe. 2 Mihirà ho Azy, mihirà fiderana ho Azy; ambarao avokoa ireo asany mahagaga. 3 Mireharehà amin'ny anarany masina; aoka hifaly ny fon'ireo izay mitady an'i Yaveh. 4 Mitadiava an'i Yaveh sy ny heriny; tadiavo hatrany hatrany ny fanatrehany. 5 Tadidio ireo zava-mahagaga efa nataony, ireo fahagagany sy ireo lalàny avy ao am-bavany, 6 ianareo taranak'i Abrahama mpanompony, ianareo vahoakan'i Jakoba, ilay olom-boafidiny. 7 Izy no Yaveh, Andriamanintsika. 8 Eo amin'ny tany rehetra ireo lalàny. Ataony an-tsaina mandrakizay ny fanekeny, dia ny teny izay nodidiny ho an'ireo taranaka an'arivony. 9 Matsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'i Isaka Izy. 10 Izany no namafisiny tamin'i Jakoba ho lalàna sy tamin'ny Israely ho fanekena maharitra mandrakizay. 11 Hoy Izy: "Homeko anjara lovanareo ny tanin'ny Kananita." 12 Nilaza izany Izy fony mbola vitsy an'isa izy ireo, tena vitsy, sady mpivahiny tao amin'ny tany. 13 Nivezivezy tamin'ireo firenena sy avy tany amin'ny fanjakana ho any amin'iray hafa izy ireo. 14 Tsy namela na iza na iza hampahory azy ireo Izy; niteny mafy ireo mpanjaka noho ny fitiavana azy ireo Izy. 15 Hoy Izy: "Aza kitihina ny olom-boahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko." 16 Niantso mosary ho amin'ny tany Izy; nanapaka ny famatsiana mofo manontolo Izy. 17 Naniraka olona hialoha lalana azy ireo Izy; namidy ho mpanompo i Josefa. 18 Nofatorany tamin'ny tady vy ny tongony; nasiany rojo vy ny tendany, 19 mandra-pahatanteraka ireo teniny, ary nitsapa azy ny tenin'i Yaveh. 20 Naniraka ireo mpanompo hamotsotra azy Yaveh; nanafaka azy ny mpanapaka ny vahoaka. 21 Nataony nisahana ny tranony ho mpanapaka ireo fananany rehetra izy 22 mba hampianatra ireo andriany araka izay iriany sy hampianatra fahendrena ireo loholony. 23 Dia nankany Egypta ny Israely, ary Jakoba nivahiny tao amin'ny tanin'i Hama. 24 Nampamokatra ny vahoakany Yaveh, ary nampatanjaka azy ireo mihoatra ireo fahavalony. 25 Nataony nankahala ny vahoakany ny fahavalon'izy ireo, mba hampijaly ireo mpanompony. 26 Naniraka an'i Mosesy, mpanompony, sy i Arona, izay efa nofidiany Izy. 27 Nanatanteraka ireo famantarany teo amin'ireo Egyptiana izy ireo, ireo fahagagany tao amin'ny tanin' Hama. 28 Nandefa aizina ary nampamaizina ny tany Izy, nefa tsy nankato ireo didiny ny vahoaka tao. 29 Namadika ny ranon'izy ireo ho rà Izy ary namono ny hazan-dranony. 30 Rakotry ny sahona ny tanin'izy ireo, na dia ny tao an'efitranon'ireo mpanapaka aza. 31 Niteny Izy, ka tonga nanerana ny tanànan'izy ireo ny renin-dalitra sy moka. 32 Navadiny ho havandra ny oran'izy ireo, niaraka tamin'ny afo nidedadeda teo amin'ny tanin'izy ireo. 33 Nopotehiny ny voaloboka sy hazon'aviavin'izy ireo; nosimbainy ireo hazo tao an-tanànan'izy ireo. 34 Niteny Izy, dia tonga ny valala, valala maro be. 35 Lanin'ireo valala avokoa ny zava-maniry rehetra tao amin'ny tanin'izy ireo; lanin'ireny ny vokatry ny tany rehetra. 36 Novonoiny ny lahimatoa rehetra teo amin'ny tanin'izy ireo; ny voaloham-bokatry ny herin'izy ireo rehetra. 37 Nentiny nivoaka niaraka tamin'ny volamena sy volafotsy ireo Israelita; tsy nisy tamin'ireo fokony tafintohina teny an-dalana. 38 Ravoravo Egypta raha lasa izy ireo, satria natahotra azy ireo ny Egyptiana. 39 Nanaparitaka ny rahona ho fandrakofana Izy ary nanao afo hampazava ny alina. 40 Nangataka sakafo ireo Israelita, dia nitondrany papelika ary nataony afa-po tamin'ny mofo avy any an-danitra izy ireo. 41 Namaky ny vatolampy Izy, ka nigororoana teo amin'izany ny rano; nikoriana tany an'efitra tahaka ny renirano ireny. 42 Fa nahatsiaro ny fampanantenany masina izay nataony tamin'i Abrahama mpanompony Izy. 43 Notarihiny nivoaka tamim-pifaliana ny vahoaka; tamin'ny hiakam-pandresena ny olom-boafidiny. 44 Nomeny azy ireo ny tanin'ireo firenena; naka fananana tamin'ireo harenan'ny vahoaka izy ireo 45 mba hitandremany ireo fitsipiny sy hankatoavany ireo lalàny. Miderà an'i Yaveh.