1 Derao i Yaveh. Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 2 Iza no afaka hanisa ireo asa lehibe izay nataon'i Yaveh na hanonona feno ireo asa mendri-piderany? 3 Hotahiana anie ireo izay manao ny marina, sy ireo izay manao ny marina mandrakariva. 4 Tsarovy aho, Yaveh, rehefa mampiseho sitraka amin'ny olonao Ianao; ampio aho rehefa mamonjy azy ireo Ianao. 5 Ary dia hahita ny fanambinana an'ireo voafidinao, hiravoravo amin'ny fifalian'ny firenenao sy hanomezam-boninahitra miaraka amin'ny lovanao aho. 6 Nanota tahaka ireo razambenay izahay, nanao izay diso izahay, ary nanao ratsy izahay. 7 Tsy nankatoavin'ireo razanay ireo asa tsaranao tany Egypta; tsy niraharaha ny habetsan'ireo famindram-ponao izy ireo; nikomy teny amin'ny ranomasina izy ireo, teny amin'ny Ranomasina Mena. 8 Na dia izany aza, novonjeny izy ireo nohon'ny anarany mba ahafahany mampiseho ny heriny. 9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra izany. Dia nitarika azy ireo nita ireo halalina, tahaka ny eny an'efitra izy. 10 Namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nankahala azy ireo Izy, ary nanavotra azy ireo tamin'ny tanan'ny fahavalo. 11 Fa nosaronan'ny rano ireo fahavalon'izy ireo; tsy nisy na dia iray amin'izy ireo aza ka avotra. 12 Ary nino ny teniny izy ireo, ka nihira ny fiderana Azy. 13 Nefa nalaky nanadino izay nataony izy ireo; tsy niandry ireo torolalany izy ireo. 14 Fatra-pila tany an'efitra izy ireo ary nitady hihoatra an'Andriamanitra tany an'efitra. 15 Dia nomeny azy ireo fangatahan'izy ireo, nefa nandefa aretina handany ny vatan'izy ireo Izy. 16 Tany an-toby dia nialona an'i Mosesy sy Arona, mpisorona masin'i Yaveh, izy ireo. 17 Nisokatra ny tany ka nitelina an'i Datana ary nanarona ireo mpanaraka an'i Abarama. 18 Nirehitra teo amin'izy ireo ny afo; ka nandany ny ratsy fanahy ny afo. 19 Dia nanao zanak'ombilahy tao Horeba izy ireo ka nanompo ny sarin-javatra vy. 20 Natakalon'izy ireo sarin'ombilahy voasokitra izay mihinana ahi-maitso ny voninahitr'Andriamanitra. 21 Nanadino an'Andriamanitra Mpamonjy azy izy ireo, izay nanao asa lehibe tany Egypta. 22 Nanao zava-tsoa mahafinaritra tao amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahery tao amin'ny Ranomasina Mena Izy. 23 Ary nandidy ny fandringanan'izy ireo Izy, raha tsy i Mosesy, izay voafidiny, no niditra an-tsehatra teo amin'ny fahatapahana mba hampiova ny fahatezerany amin'ny fandringanana azy ireo. 24 Dia nataon'izy ireo tsinotsinona ny tany mahavokatra; tsy nino ny fampanantenany izy ireo; 25 fa nimonomonona tao anaty lainy izy ireo, ary tsy nankatò an'i Yaveh. 26 Noho izany, dia nanangana ny tanany izy ary nianina tamin'izy ireo fa ho avelany ho faty any an'efitra izy ireo, 27 hampiely ny taranak'izy ireo erak'ireo firenena ary hampiely azy ireo any amin'ny tany hafa. 28 Nanompo an'i Bala-peora izy ireo ary nihinana ireo sorona natolotra ho an'ny maty. 29 Dia nampatezitra Azy tamin'ny nataony izy ireo, ka dia areti-mandringana no namely azy ireo. 30 Dia nitsangana i Fineasa ka nirotsaka an-tsehatra, ary nitsahatra ny areti-mandringana. 31 Anisan'ny asa marina ho azy mandrakizay izany hatrany amin'ny taranaka fara mandimby. 32 Nampatezitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo teny amin'ny ranon'i Meriba, ka nijaly i Mosesy noho izy ireo. 33 Nampahory an'i Mosesy izy ireo, ary niteny an-kamehana izy. 34 Tsy nandringana ireo firenena tahaka ny nandidin'i Yaveh azy izy ireo, 35 nefa voaharo niaraka tamin'ny firenena izy ireo ary nianatra ireo fanaony 36 ka nanompo ireo sampiny, izay tonga fandrika ho azy. 37 Nanao sorona ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy ho an'ireo demonia izy ireo. 38 Nandatsaka ny rà tsy manan-tsiny izy ireo, ny ràn'ireo zanany lahy sy ny an'ireo zanany vavy izay nataon'izy ireo sorona ho an'ireo sampin'i Kanana; ka nanimbazimba ny tany tamin'ny rà. 39 Voaloto tamin'ireo asany; tahaka ireo mpijangajanga izy ireo noho ireo nataony. 40 Ka dia tezitra tamin'ny olony i Yaveh, ary nataony tsinontsinona ny vahoakany. 41 Nomeny ho eny an-tanan'ireo firenena izy ireo, ary ireo izay nankahala azy ireo no nanapaka teo amin'izy ireo. 42 Nampahory azy ireo ny fahavalony, ary nentina hanaiky ny fahefany izy ireo. 43 Matetika tonga manampy azy ireo Izy, fa izy ireo kosa nikomy hatrany ary naletiky ny fahotany ihany. 44 Na dia izany aza dia nijery ny fahorian'izy ireo Izy rehefa naheno azy ireo nitomany hovonjena Izy. 45 Nampatsiaro ny fanekeny tamin'izy ireo Izy ka nanenina nohon'ny fitiavany tsy miovaova. 46 Dia nataony niantra azy ireo ny mpambabo rehetra azy ireo. 47 Vonjeo izahay, Yaveh, Andriamanitray. Ary angony avy amin'ireo firenena, mba hisaoranay ny Anaranao Masina sy hanomezanay voninahitra amin'ny fiderana Anao. 48 Hoderaina anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, mandrakizay ka mandrakizay. Ary niteny ny olona rehetra hoe: "Amena". Derao Yaveh. BOKY FAHADIMY