Salamo faha 107

1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, ary mandrakizay ny famindram-pony. 2 Aoka ireo navotan'i Yaveh hilaza izany, dia izay navotany teo amin'ny tanan'ny fahavalo. 3 Nangoniny avy amin'ny tany hafa maro izy ireo, dia izay avy tany antsinanana sy avy tany andrefana, avy tany avaratra sy avy tany atsimo. 4 Nirenireny tany an'efitra eny amin'ny lalana hay izy ireo ary tsy nahita tanàna honenana. 5 Satria noana sady nangetaheta izy ireo, dia heniky ny faharerahana izy ireo. 6 Dia niantso mafy an'i Yaveh tamin'ny andro fahoriany izy ireo, ka namonjy azy ireo tamin'ny fahoriany Izy. 7 Nitondra azy ireo tamin'ny lalana mahitsy Izy mba ahafahan'izy ireo mandeha any amin'ny tanàna izay honenany. 8 Oh aoka hidera an'i Yaveh ireo olona nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-tsoa rehetra nataony tamin'ny olombelona! 9 Fa manome fahafam-po ny fanirian'ireo izay mangetaheta Izy, ary ny fanirian'ireo izay noana dia vokisany ireo zava-tsoa. 10 Ireo izay mitoetra anaty haizina sy ny aloky ny fahafatesana, voagadram-pahoriana sy ireo rojo vy. 11 Nisy izany satria nikomy nanohitra ny tenin'Andriamanitra izy ireo ary nanary ny torolalan'ny Avo Indrindra. 12 Nampietry ny fon'izy ireo tamin'ny zava-tsarotra Izy. Tafintohina izy ireo ary tsy nisy olona mba hanampy azy ireo hitraka. 13 Dia niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo, ary nentin' i Yaveh hiala avy tao amin'ny fahoriany izy ireo. 14 Nitondra azy ireo hivoaka avy amin'ny maizina sy ny haizim-pito Izy ary novakiany ireo fatoran'izy ireo. 15 Oh aoka hidera an'i Yaveh ireo olona ireo nohon' ny famindram-pony sy ireo zava-mahagaga nataony ho an'ny olombelona. 16 Fa nanorotoro ireo vavahady varahina Izy ary nanapaka ireo hidy vy. 17 Adala izy ireo amin'ny fikomiana ataony ary ory noho ireo helony. 18 Very ny fanirian'izy ireo hihinana ny hanina rehetra, ary niha-nanakaiky ireo vavahadin'ny fahafatesana izy ireo. 19 Dia niantso mafy an'i Yaveh izy ireo tamin'ny fahoriany, dia nitondra azy ireo hivoaka amin'ny fahoriany Izy. 20 Nandefa ny teniny Izy ary nanasitrana azy ireo, dia novonjeny tamin'ny fahapotehiny izy ireo. 21 Oh aoka hidera an'i Yaveh ireo olona nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-mahagaga nataony tamin'ny olombelona! 22 Aoka izy ireo hanolotra ireo fanati-pisaorana ka hanambara ireo asany lehibe amin'ny fihirana. 23 Izay miantsambo eny an-dranomasina sy manao raharaham-barotra any ampitan-dranomasina. 24 Ireo dia nahita ny asan'i Yaveh sy ireo fahagagana eny an-dranomasina. 25 Fa Izy no mibaiko sy maniraka ny tafio-drivotra izay mampisondrotra ny ranomasina. 26 Niakatra eny an-danitra ireny; ary nidina any amin'ny lalina. Ketraky ny fahoriana ny fiainan'izy ireo. 27 Nisangodina sady nihanahana tahaka ireo mpimamo izy ireo dia lasa tany amin'ny fahaverezan-tsaina. 28 Ary niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo, ka nentiny nivoaka ny fahoriany izy ireo. 29 Nampitony ny tafio-drivotra Izy, ary ny onjan-dranomasina dia mbola nitoetra. 30 Ary dia niravoravo izy ireo satria nitony ny ranomasina, ary nitondra azy ireo ho eny amin'ny morony niriany Izy. 31 Oh aoka hidera an'i Yaveh ireo olona nohon'ny famindram-pony sy amin'ireo zava-mahatalanjona nataony tamin'ny olombelona! 32 Aoka izy ireo hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona ary hidera Azy eo amin'ny filan-kevitr'ireo loholona. 33 Mamadika ireo ony ho efitra Izy, ary ireo loharano ho tany maina, 34 ary ireo tany mahavokatra ho tany hay nohon'ny faharatsian'ny olony. 35 Mamadika ny efitra ho farihin-drano Izy ary tany maina ho loharano maro. 36 Hamponeniny any izay noana, ary hanamboatra tanàna mba honenana izy ireo. 37 Hanamboatra tanàna any izy ireo mba hamboly eo amin'ireo saha ao, sy hamboly eo amin'ireo tanim-boaloboka, ary hitondra azy hamokatra be. 38 Hitahy ireo Izy ka ho maro an'isa izany. Tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. 39 Fa nihena sy nietry indray izy ireo nohon'ny fahoriana maharary sy hirifiry. 40 Mandatsaka fanamavoana amin'ireo mpitarika Izy ary mampirenireny azy ireo any an'efitra, izay tsy misy lalana. 41 Fa miaro ireo mahantra nohon'ny fahoriana kosa Izy ary miahy ireo fianakaviany tahaka ny andian'ondry. 42 Hahita izany ny mahitsy ka ho faly, ary ireo ratsy fanahy rehetra manakombom-bava. 43 Izay hendry dia aoka hisaintsaina an'izany zavatra izany ary hihevitra an'ireo asa famindram-pon'i Yaveh.