1 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra; hihira aho, eny, hihira fiderana amin'ny foko ravoravo ihany koa aho. 2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha vao mangiran-dratsy aho. 3 Hisaotra Anao aho, ry Yaveh, eny amin'ny olona rehetra; hihira fiderana Anao eny amin'ny firenena rehetra aho. 4 Fa ny famindram-ponao dia lehibe ambonin'ireo lanitra ary mipaka eny amin'ireo lanitra ny fahatokisanao. 5 Misandràta, Andriamanitra, any ambonin'ny lanitra, ary aoka ny voninahitrao hisandratra manerana ny tany rehetra. 6 Mba ho voavonjy ireo izay malalanao, vonjeo aho amin'ny tanana ankavananao ka valio. 7 Niteny tamin'ny fahamasinany Andriamanitra ka nanao hoe: "Hifaly aho; hizara an'i Sekema ary hizara ny Lohasahan'i Sokota aho. 8 Ahy i Gileada, ary ahy i Manase, aron'ny lohako ihany koa i Efraima; tehim-panjakako i Joda. 9 Tavindrano fanasana i Moaba; amin'i Edoma no hanipazako ny kapako; hihiaka fandresena Aho noho i Filistia. 10 Iza no hitondra Ahy any amin'ny tanàna matanjaka? iza no hitarika Ahy ho any Edoma?" 11 Andriamanitra o, tsy efa nanary anay ve Ianao? Tsy nivoaka hiady miaraka amin'ny tafikay Ianao. 12 Omeo fanampiana izahay hanohitra ny fahavalo, fa zava-poana ny fanampian'ny olona. 13 Miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra no haharesentsika; hanitsahany ireo fahavalontsika.