Salamo faha 109

1 Ry Andriamanitra izay deraiko, aza mangina, 2 Fa mamely ahy ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka; miteny lainga hanohitra ahy izy ireo. 3 Nodidininy sy nitenenany zavatra fankahalana aho, ary namely ahy tsy amin'antony izy ireo. 4 Valin'ny fitiavako dia endrikendrika no nataon'izy ireo ahy, fa izaho kosa dia mivavaka ho azy ireo. 5 Novalian'izy ireo ratsy ny soa nataoko, ary halan'izy ireo ny fitiavako. 6 Anendreo lehilahy ratsy fanahy mba ho fahavalo tahaka ireny olona ireny; anendreo mpiampanga hitsangana eo ankavanany. 7 Rehefa hotsaraina izy dia aoka ho meloka, ary aoka ny fivavahany heverina ho fahotana. 8 Aoka ho fohy ny androny; ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. 9 Aoka ny zanany ho kamboty ray, ary aoka ny vadiny ho mpitondratena. 10 Aoka ny zanany hirenireny sy hitalaho, hangataka raha mbola ipetraka amin'ny trano simba izy ireo. 11 Aoka ho alain'ny tompon-trosa izay azy rehetra; ary aoka ny vahiny handroba izay azony. 12 Aoka tsy hisy na iray aza hampiseo hatsaram-panahy aminy; aoka tsy hisy hiantra ny zanany kamboty. 13 Aoka ho ringana ny zanany; ary aoka ny anarany ho vonoina amin'ny taranaka fara mandimby. 14 Aoka ho lazaina amin'i Yaveh ny helok'ireo razany; ary aoka tsy hoadinoina ny heloky ny reniny. 15 Aoka ho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva ny hadisoan'izy ireo; aoka hofoanan'i Yaveh amin'ny tany rehetra ny fahatsiarovana azy ireo. 16 Aoka ho ataon'i Yaveh izany satria io lehilahy io dia tsy mba nampiseho famindram-po, fa kosa nampijaly ny ory, ny mahantra, ary ny kivy amin'ny fahafatesana. 17 Nitia ozona izy, aoka hanody azy izany. Mankahala fitahiana izy; aoka tsy hisy fitahiana ho tonga aminy. 18 Mitafy ny tenany amin'ny ozona tahaka ny akanjony izy, ary mipàka any anatin'izy ireo tahaka ny rano ny ozona, tahaka ny diloilo anatin'ny taolany. 19 Aoka ny ozony ho tahaka ny fitafiana izay handrakofany ny tenany, tahaka ny fehikibo izay hanaovany mandrakariva. 20 Aoka izany ho valisoa ho an'ireo mpiampanga avy amin'i Yaveh, an'izay miteny ratsy ny amiko. 21 Yaveh Tompoko o, miasà tsara amiko nohon'ny anaranao. Satria tsara ny famindram-ponao, vonjeo aho. 22 Fa ory sy mahantra aho, ary ny foko dia voaratra ao anatiko. 23 Mihena tahaka ny aloky ny hariva aho; ary nahintsana tahaka ny valala aho. 24 Rerakiny ny fifadian-kanina ny lohaliko; lasa hoditra sy taolana aho. 25 Dia ataon'ireo mpiampanga ahy ho tsinontsinona aho; rehefa mahita ahy izy ireo dia mihifikifi-doha. 26 Ampio aho, Yaveh Andriamanitro; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. 27 Ary aoka ho fantatr'izy ireo fa izany no asanao, fa Ianao, Yaveh, no nanao izany. 28 Na dia manozona ahy izy ireo, dia mba tahio re aho; raha mamely izy ireo; aoka izy ireo hitsanga-menatra, fa aoka ny mpanomponao hifaly. 29 Aoka hitafy henatra ireo fahavaloko; aoka hiakanjo ny fahamenarany ho tahaka ny tohitena izy ireo. 30 Amin'ny vavako no hanomezako fisaorana lehibe ho an'i Yaveh; hidera Azy eo afovoan'ny vahoaka aho. 31 Fa mitsangana eo an-tanana ankavanan'ny malahelo Izy, mba hamonjy azy amin'izay mitsara azy.