1 Salamo iray. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, fa nanao zava-mahagaga Izy; nanome fandresena Azy ny tanany an-kavanana sy ny sandriny masina. 2 Nampahafantatra ny famonjeny Yaveh; nampiseho ampahibemaso ny fahamarinany tamin'ireo firenena rehetra Izy. 3 Mahatsiaro ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fanekena mahatokiny ho an'ny fianakavian'Israely Izy; hahita ny fandresen'Andriamanintsika ny vazan-tany rehetra. 4 Mihobia ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; Velomy ny hira, mihirà amim-pifaliana, ka mihirà fiderana. 5 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh amin'ny harpa, amin'ny harpa sy hira mahafinaritra. 6 Amin'ny trompetra sy ny feon'ny anjomara, manaova hiakam-pifaliana eo anatrehan'ilay Mpanjaka, dia i Yaveh. 7 Aoka hihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao sy izay rehetra monina ao aminy! 8 Aoka ireo renirano hiteha-tanana, ary aoka ireo tendrombohitra hihiaka amin'ny fifaliana. 9 Tonga hitsara ny tany Yaveh; hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo firenena amin'ny hitsiny.