Salamo faha 97

1 Manjaka Yaveh; aoka ny tany hifaly; aoka ireo sisintany maro be ho ravo. 2 Rahona sy aizina no manodidina Azy. Fahamarinana sy rariny no fiorenan'ny seza fiandrianany. 3 Afo no mandalo eo anoloany ka mandevona ireo mpifanandrina aminy manodidina. 4 Manazava izao tontolo izao ny tselany; mahita izany ny tany ka mihorohoro. 5 Mitsonika toy ny savoka eo anatrehan'i Yaveh, ilay Tompon'ny tany rehetra, ireo tendrombohitra. 6 Manambara ny fahamarinany ireo habakabaka, ary mahita ny voninahiny ireo firenena rehetra . 7 Ho menatra ireo rehetra izay manompo sarin-javatra voasokitra, ireo izay mirehareha amin'ny sampy tsy misy dikany_ miankohofa eo aminy, ianareo ry andriamanitra rehetra! 8 Naheno ny Ziona ka dia faly. Ary nifaly ny tanànan'i Joda noho ireo didinao marina, ry Yaveh. 9 Fa ianao, ry Yaveh, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra. Asandratra avo indrindra ambonin'ireo andriamani rehetra Ianao. 10 Ianao izay tia an'i Yaveh, mankahalà ny ratsy! Miaro ny ain'ireo olony masina Izy, ary maka azy ireo tsy ho eo an-tanan'ny ratsy fanahy Izy. 11 Nafafy tamin'ny marina ny fahazavana ary ny fifaliana ho an'ireo mahitsy fo. 12 Mifalia ao amin'i Yaveh, ianao ry olo-marina; ary manolora fisaorana rehefa tsaroanao ny fahamasinany.