1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh; Mihirà ho an'i Yaveh, ry tany rehetra. 2 Mihirà ho an'i Yaveh, misaora ny Anarany; lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny. 3 Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny, ny asany mahagaga amin'ireo fierenena rehetra. 4 Fa lehibe Yaveh ary tokony ho deraina indrindra. Tokony atahorana ambonin'ireo andriamani-kafa rehetra Izy. 5 Fa sampy avokoa ireo andriamanitry ny firenena rehetra, fa Yaveh no nanao ireo habakabaka. 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo amin'ny fanatrehany. Hery sy hatsarana no ao amin'ny fitoerany masina. 7 Miderà an'i Yaveh, ianao ry firenena, miderà an'i Yaveh nohon' ny voninahiny sy ny heriny. 8 Omeo ny voninahitra mendrika ny anarany Yaveh. Mitondrà fanatitra ary tongava ao an-kianjany. 9 Miankohofa eo amin'i Yaveh amin'ny fiankanjo izay manome voninahitra ny fahamasinany. Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. 10 Mitenena amin'ireo firenena hoe: "Yaveh no manjaka." Voaorina ihany koa izao tontolo izao; tsy ho voahozongozona izany. Mitsara ara-drariny ireo vahoaka Izy. 11 Aoka ho faly ny any an-danitra, ary aoka hiravo ny tany; Aoka hierona ny ranomasina ary hihiaka am-pifaliana izay mameno izany. 12 Aoka hifaly ireo saha sy izay rehetra eo amin'ireny. Dia aoka hihiaka amin'ny hafaliana 13 eo anatrehan'i Yaveh ireo hazo rehetra any an'ala , fa tonga Izy. Tonga mba hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo olona amin'ny fahatokiany.