Salamo faha 95

1 Avia, aoka isika hihira ho an'i Yaveh; aoka isika hihira am-pifaliana ho an'ilay vatolampin'ny famonjena antsika. 2 Aoka isika hiditra ao amin'ny fanatrehany amin'ny fisaorana; aoka isika hihira ho Azy amin'ny salamo fiderana. 3 Fa Yaveh dia Andriamanitra lehibe sy Mpanjaka lehibe ambonin'ireo andriamanitra rehetra. 4 Eo an-tanany ireo fitoerana lalin'ny tany; Azy ireo fitoerana avon'ireo tendrombohitra rehetra. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao izany, ary ny tanany no nanamboatra ny tany maina. 6 Avia, aoka isika hanompo sy hiankohoka; aoka isika handohalika eo anatrehan'i Yaveh, mpahary antsika: 7 Fa Izy no Andriamanintsika, ary vahoakan'ny fihinanam-bilony sy ondrin'ny tanany isika. Anio_ enga anie ka ho henoinao ny feony! 8 "Aza manamafy ny fonao, toy ny tao Meriba, na toy ny tamin'ny andron'i Masa tany an'efitra, 9 izay nitsapana sy nanandraman'ireo razambenao Ahy, na dia hitan'izy ireo aza ireo asako. 10 Fa efapolo taona no tezitra tamin'izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: 'Ity dia vahoaka izay mandeha any amin'ny lalan-diso ny fony; tsy nankatò Ahy izy ireo.' 11 Noho izany dia nivoady tamin-katezerana Aho mba tsy hiditra ao amin'ny toeram-pitsaharako mihitsy izy ireny."