1 Ry Yaveh, Andriamanitra mamaly faty, Andriamanitra mamaly faty, mamirapiràta eo aminay. 2 Mitsangàna, ry mpitsara ny tany, omeo ny mpirehareha izay mendrika azy ireo. 3 Mandra-pahoviana ny ratsy fanahy, ry Yaveh, mandra-pahoviana no hiravoravoan'ny ratsy fanahy? 4 Mandraraka ireo teny fiavonavonany izy ireo; ireo rehetra izay mieboebo amin'ny ratsy. 5 Nopotehin'izy ireo ny olonao, ry Yaveh; mampahory ny firenena izay Anao izy ireo. 6 Mamono ny mpitondratena sy vahiny izay miaina any amin'ny fireneny izy ireo, ary mamono ireo kamboty ray. 7 Hoy izy ireo hoe: "Tsy hahita Yaveh, ary ilay Andriamanitr'i Jakoba tsy mahatsikaritra izany." 8 Mahatàkara, ianareo olona tsy misaina! Ianareo adala, rahoviana ianareo no hianatra? 9 Izy izay nanao ny sofina, moa ve tsy maheno Izy? Izy izay nanao ny maso, moe ve tsy mahita Izy? 10 Izy izay mifehy ireo firenena, moa ve tsy manitsy izy? Izy ilay iray izay manome fahalalana ny olona. 11 Yaveh mahalala ny sain'ireo olona, fa entona izy ireo. 12 Sambatra ilay iray izay ampianarinao, ry Yaveh, ilay iray izay ampianarinao avy amin'ny lalànao. 13 Nomenao fitsaharana izy tamin'ny fotonan'ny olana mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy. 14 Fa Yaveh tsy hahafoy ny olony na handao ny lovany. 15 Fa ny fitsaràna dia ho marina indray; ary ireo rehetra izay mahitsy amin'ny fo dia hanaraka izany. 16 Iza no hitsangana hiaro ahy amin'ireo mpanao ratsy? Iza no hijoro ho ahy hanohitra ny ratsy fanahy? 17 Raha tsy Yaveh no nanampy ahy, dia efa saika nitsilany teo amin'ny toerana fahanginana aho. 18 Rehefa niteny aho hoe: "Mangozohozo ny tongotro," dia nanohana ahy, ny fanekenao mahatoky, ry Yaveh. 19 Raha maro ahiahiako, dia mampifaly ahy ireo fampiononanao. 20 Afaka miaraka aminao ve ny seza fiandrianan'ny faharavana, ilay iray izay mamorona ny tsy rariny amin'ny alalan'ny didy? 21 Niara-nanao tetika izy ireo mba hifofoana ny ain'ny marina ary manameloka ho faty ireo tsy manan-tsiny izy ireo. 22 Fa Yaveh no efa tilikambo avoko, ary efa vatolampy fialofako ny Andriamanitro. 23 Hitondra ny helok'izy ireo eo amin'izy ireo Izy ary hanapaka azy ireo amin'ny faharatsin'izy ireo manokana. Hamono azy ireo Yaveh Andriamanintsika.