1 Manjaka i Yaveh; mitafy voninahitra Izy; Yaveh dia nampitafy sy nampisikina ny tenany tamin'ny hery. Mafy orina izao tontolo izao; tsy afaka afindra izany. 2 Nahorina hatramin'ny andro taloha ny seza fiandriananao; efa hatrizay hatrizay Ianao. 3 Niakatra ny ranomasina, ry Yaveh; nanandratra ny feony izy ireo; mikapokapoka sy mierona ny onjan-dranomasina. 4 Ambonin'ny fianjeran'ny onja maro, ilay mpanapaka maherin'ny ranomasina, Yaveh any ambony dia mahery. 5 Ireo didinao masina dia tena mendri-pitokisana; mandravaka ny tranonao ny fahamasinana, ry Yaveh, mandrakizay.