Salamo faha 92

1 Salamo iray, Hira ho an'ny andro Sabata. Zavatra tsara ny manome fisaorana an'i Yaveh sy ny mihira fiderana ho an'ny anaranao, ry Avo Indrindra, 2 hanambarana ny fanekenao mahatoky amin'ny maraina sy ny fahamarinanao isakin'ny alina, 3 amin'ny valiha misy tory folo sy ny feon-kiran'ny lokanga. 4 Fa Ianao, ry Yaveh, nampifaly ahy tamin'ny alalan'ireo asanao. Hihira am-pifaliana ho Anao aho noho ireo asan'ny tananao. 5 Endrey ny halehiben'ireo asanao, ry Yaveh! Lalina tokoa ny fisainanao. 6 Tsy mahafantatra ny olo-ketrina, na ny adala aza tsy mahatakatra izany: 7 Rehefa mitsiry toy ny ahitra ny ratsy fanahy, ary na dia rehefa miroborobo aza ny mpanao ratsy rehetra, dia mbola ho rava any amin'ny fahapotehana mandrakizay izy ireo. 8 Fa Ianao, ry Yaveh, dia hanjaka mandrakizay. 9 Eny tokoa, jereo ireo fahavalonao, ry Yaveh! Eny tokoa, jereo ireo fahavolanao. Ho faty izy ireo! Ary ireo izay manao ratsy rehetra dia hiparitaka. 10 Nanandratra ny tandroko toy ny tandrok'omby dia Ianao; voahosotra tamin'ny menaka vaovao aho. 11 Efa nahita ny faharavan'ireo fahavaloko ny masoko; efa nandre ny fiafarana fahavaloko ratsy sofiko. 12 Ny marina dia haniry toy ny hazon-drofia; haniry toy ny sedara any Libanona izany. 13 Novolena tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo; ary maniry ao amin'ireo kianjan'Andriamanintsika. 14 Hamoa voa izy ireo na dia rehefa antitra aza; ary hijanona ho vao sy maintso, 15 mba hanambarana fa mahintsy Yaveh. Izy no vatolampiko, ary tsy misy tsy fahamarinana ao Aminy.