Salamo faha 91

1 Ilay mitoetra eo ambanin'ny fialofan'ilay Avo Indrindra dia hitoetra ao amin'ny alok'ilay Tsitoha. 2 Hilaza ny amin'i Yaveh aho hoe: "Izy no fialofako sy fiarovako mafy, ry Andriamanitro, Izay hitokiako." 3 Fa Izy no hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'ny loza mahafaty. 4 Handrakotra anao amin'ireo elany Izy, ary ao ambanin'ireo elany no hahitanao fialofana. Ny fahamendreham-pahatokiany dia ampinga sy fiarovana. 5 Tsy hatahotra ny horohoron'ny alina ianao, na ny tsipìka izay manidina amin'ny andro, 6 na ny loza izay mirenireny amin'ny maizina, na ny aretina izay tonga amin'ny mitaotaovovonana. 7 Arivo no mety ho lavo eo anilanao ary iray alina eo amin'ny tanana havananao, kanefa tsy hahatratra anao izany. 8 Fa handinika sy hahita ny sazin'ny ratsy fanahy fotsiny ianao. 9 Fa Yaveh no fialofako! Ary ataovy ho fialofanao ihany koa ilay Avo Indrindra. 10 Tsy hisy ratsy hahazo anao; tsy hisy fahoriana hanakaiky ny tranonao. 11 Fa hitarika ireo anjeliny Izy mba hiaro anao, sy hiambina anao amin'ny lalanao rehetra. 12 Hanandratra anao amin'ny tanany izy ireo mba tsy ho voa'ny vato ny tongotrao . 13 Hanorotoro ireo liona ianao sy ireo menarana ambanin'ny tongotrao; hanitsaka ireo liona tanora sy bibilava ianao. 14 Satria efa nanolo-tena ho Ahy izy, dia hamonjy azy Aho, hiaro azy Aho satria tsy mivadika amiko izy. 15 Rehefa miantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho. Homba azy Aho amin'ny olana; hanome fandresena azy Aho ary hanome voninahitra azy. 16 Hanome fahafaham-po azy amin'ny fiainana lava Aho ary hampiseho azy ny famonjeko.