Salamo faha 90

1 Vavak'i Mosesy lehilahin' Andriamanitra. Ry Tompo, efa fialofanay manerana ireo taranaka rehetra Ianao. 2 Talohan'ny nisian'ny tendrombohitra, na nanao ny tany sy izao tontolo izao Ianao, ho mandrakizay ka ho mandrakizay, Ianao no Andriamanitra. 3 Namerina ny olona ho vovoka ianao, ary hoy Ianao hoe: "Miverena, ianao ry taranaky ny olombelona." 4 Fa ny arivo taona eo imasonao dia toy ny omaly rehefa lasa, fotoana toy ny fiambenan'ny alina. 5 Fafanao tahaka ny amin'ny riaka izy ireo dia natory; amin'ny maraina dia toy ny ahitra mitsiry izy ireo. 6 Amin'ny maraina dia mamelana izany ary maniry; amin'ny hariva dia malazo izany ary maina. 7 Marina tokoa, levon'ny fahatezeranao izahay, ary raiki-tahotra amin'ny fahatezeranao. 8 Efa nametraka ny helokay teo anoloanao Ianao, ireo fahotana miafinay eo amin'ny hazavan'ny fanatrehanao. 9 Ny fiainanay dia dify ao ambanin'ny fahatezeranao; ny fiainanay dia mandalo faingana toy ny sento. 10 Fitopolo ny taonanay, na valopolo raha salama izahay; kanefa ny taonanay tsara indrindra aza dia voamariky ny fahoriana sy alahelo. Eny, mandeha faingana izany, dia manidina izahay. 11 Iza no mahalala ny hamafin'ny fahatezeranao, sy ny fahavinirana izay mitovy amin'ny fahatahorana Anao? 12 Koa ampianaro izahay mba handinika ny fiainanay mba hahafahanay miaina am-pahendrena. 13 Miverena, ry Yaveh! Ho mandra-pahoviana izao? mamindrĂ  fo amin'ireo mpanomponao. 14 Omeo fahafaham-po amin'ny fanekena mahatokinao izahay amin'ny maraina mba hiravoravoanay ka ho faly amin'ireo andronay rehetra. 15 Ampfalio izahay arakarak'ireo andro nampahorianao anay sy ireo taona izay niainanay fahoriana. 16 Aoka ireo mpanomponao hahita ny asanao, ary aoka ireo zanakao hahita ny voninahitrao. 17 Aoka ho anay ny fankasitrahan'ny Tompo Andriamanitray; ambino ny asan'ny tananay; eny tokoa, ambino ny asan'ny tananay.