1 Maskilan'i Etana Ezrahita. Hihira ho an'ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh mandrakizay aho. Hanambara ny fahamarinanao amin'ireo taranaka ho avy aho. 2 Fa izaho efa nilaza hoe: "Efa napetraka mandrakizay ny fanekena mahatoky; efa napetrakao any an-danitra ny fahamarinanao." 3 Efa nanao fifanekena tamin'ilay voafidiko aho, efa nanao fianianana tamin'i Davida mpanompoko aho. 4 Ho apetrako mandrakizay ny taranakao, ary ho apetrako manerana ny taranaka rehetra ny seza fiandriananao." Fihatoana sy fiderana. 5 Midera ireo fahagagana nataonao ny lanitra, ry Yaveh; deraina ao amin'ny fiangonan'ilay masina ny fahamarinanao. 6 Fa iza eny an-danitra no azo ampitahaina amin'i Yaveh? Iza tamin'ireo zanaka lahin'ireo andriamanitra no mitovy amin'i Yaveh? 7 Izy dia Andriamanitra nomena voninahitra lehibe tao amin'ny filan-kevitr'ilay masina ary mahatalanjona amin'ireo rehetra manodidina Azy. 8 Yaveh Andriamanitry ny maro, iza no mahery toa anao, ry Yaveh? Mandrakotra anao ny fahamarinanao. 9 Mifehy ny ranomasina mahery Ianao; rehefa manonja ireo onja, dia mampitony ireo Ianao. 10 Notorotoroinao toy ny olona novonoina i Rahaba. Naparitakao tamin'ny sandrinao mahery ireo fahavalonao. 11 Anao ny lanitra, ary ny tany ihany koa. Nanao izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy Ianao. 12 Namorona ny atsimo sy avaratra Ianao. Mifaly amin'ny anaranao i Tabara sy Hermona. 13 Manana sandry mahery sy tanana mafy Ianao, ary avo ny tananao an-kavanana. 14 Ny fahamarinana sy fitsaràna no fototry ny seza fiandriananao. Tonga anoloanao ny fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokiana. 15 Sambatra ireo olona izay midera Anao! ry Yaveh, mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao izy ireo. 16 Ny anaranao no hifalian'izy ireo mandrakariva, ary amin'ny fahamarinanao no hanandratan'izy ireo Anao. 17 Ianao no voninahitry ny herin'izy ireo, ary mpandresy tamin'ny fankasitrahanao izahay. 18 Fa an'i Yaveh ny ampiganay; ny mpanjakanay dia an'Ilay Masin'Israely. 19 Tany aloha dia niteny tamin'ilay mahatokinao tao anaty fahitana Ianao; hoy Ianao hoe: "Efa nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery Aho; efa nanabe ilay voasafidy amin'ireo vahoaka aho. 20 Nisafidy an'i Davida mpanompoko Aho; tamin'ny diloiloko masina no nanosorako azy. 21 21 Hanohana azy ny tanako; hampahery azy ny sandriko. 22 Tsy misy fahavalo hamitaka azy; tsy misy zanaka lahin'ny ratsy fanahy hampahory azy. 23 Ho torotoroiko ireo fahavalony eo anoloany; ho vonoiko ireo izay mankahala azy. 24 Ny fahamarinako sy ny fanekena mahatokiko dia homba azy; handresy amin'ny anarako izy. 25 Hapetrako eo ambonin'ny ranomasina ny tanany ary ny tanany an-kavanana eo ambonin'ireo ony. 26 Hiantso Ahy izy hoe: 'Ianao no Raiko, ry Andriamanitro, ary vatolampin'ny famonjeko.' 27 Izy ihany koa dia hapetrako toy ny zanako lahimatoa, ilay ambony indrindra amin'ireo mpajakan'ny tany. 28 Hanitatra ny fanekena mahatokiko aminy mandrakizay Aho; ary ny fifanekeko aminy dia ho voaaro. 29 Ho ataoko maharitra mandrakizay ireo taranany ary ny seza fiandrianany dia haharitra toy ny lanitra eny ambony. 30 Raha mahafoy sy tsy mankatoa ireo lalàko ireo zanany, 31 raha mandika ireo didiko ary tsy mitandrina ireo fitsipiko izy ireo, 32 dia ho saziko amin'ny tsorakazo ny fikomin'izy ireo ary amin'ny tsoaka ny helok'izy ireo. 33 Fa tsy ho esoriko aminy ny fitiavako tsy miova na hivadika amin'ny fampanantenako. 34 Tsy handika ny fanekeko na hanova ireo tenin'ny molotro Aho. 35 Efa nianiana tamin'ny fahamasinako indray mandeha Aho— tsy handainga amin'i Davida Aho. 36 Ireo taranany dia hitohy mandrakizay ary seza ny fiandrianany dia haharitra toy ny masoandro eo anoloako. 37 Izany dia hipetraka mandrakizay toy ny volana, ilay vavolombelona mahatoky eny an-danitra." Fihatoana sy fiderana. 38 Fa Ianao tsy nanaiky ary nandà; tezitra tamin'ilay mpanjakanao voahosotra Ianao. 39 Efa niala tamin'ny faneken'ny mpanomponao Ianao. Efa nanimbazimba ny satro-boninahiny tamin'ny tany Ianao. 40 Efa narodanao ireo rindriny rehetra. Efa noravainao ny fiarona mafiny. 41 Izay rehetra nandalo dia efa nandroba azy. Efa lasa fitaovana marikoriko amin'ireo mpiara-monina aminy izy. 42 Nanandratra ny tanan-kavanan'ireo fahavalony Ianao; nampifalianao ireo fahavalony rehetra. 43 Navadikao ny lelan-tsabany ka tsy nampijoro azy raha hiady. 44 Nofarananao ny famirapiratany; nampidininao tamin'ny tany ny seza fiandrianany. 45 Nafohezinao ny andron'ny fahatanorany. Norakofanao henatra izy. Fihatoana sy fiderana. 46 Hafiriana, ry Yaveh? Hanafina ny tenanao mandrakizay ve Ianao? Mandra-paha-rahoviana no hirehitra toy ny afo ny hatezerenao? 47 Oh, saino ny momban'ny afohin'ny fotoanako, sy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra ho fatifaty faona! 48 Iza no afaka hiaina ary tsy ho faty, na hanavotra ny ainy manokana eny an-tanan'i Seoly? Fihatoana sy fiderana. 49 Ry Tompo, aiza ireo asan'ny fanekena mahatokinao taloha izay nianianan'i Davida tamin'ny fahamarinanao? 50 Tsarovy, ry Tompo, ny fanesoana natao tamin'ireo mpanomponao ary ny fomba nizakan'ny foko ireo teny ratsy maro avy amin'ireo firenena. 51 Nitoraka teny ratsy ireo fahavalonao, ry Yaveh; nohesoin'izy ireo ny dian-tongotr'ilay voahosotrao. 52 Ho deraina mandrakizay anie Yaveh. Amena dia Amena. Boky faha efatra.