Salamo faha 88

1 Ry Yaveh, Andriamanitra famonjena ahy, hitomany mafy eo anatrehanao andro aman'alina aho. 2 Mba henoy ny vavako; mba henoy fivavako. 3 Fa feno fahorianana aho, fa nahatratra NY fiainan-tsy hita NY aiko. 4 Ny olona mihevitra ahy toy ireo izay midina any an-davaka; lehilahy tsy mba manana hery aho. 5 Nafoy teo amin'ireo maty aho; izaho dia toy ny mahery maty tao am-pasana, mahakasika izay tsy nirarahinao satria nesorina niala tamin'ny herinao izy ireo. 6 Ianao mametraka ahy ao farany ambany lavaka, ao amin'ny haizina sy toerana lalina. 7 Ny fahatezeranao mavesatra eo amiko, ary mianjera eo amiko ny onjanao. Sela 8 Noho Ianao, dia mandositra ahy ireo akaiky ahy. Efa nataonao fijery manafitohina tamin'izy ireo aho. Voafandrika aho ary tsy afaka hitsaoka. 9 Mihareraka ny fahoriana ny masoko; hiantso anao mandritra ny tontolo andro aho, ry Yaveh, ahinjitro ho anao ny tanako. 10 Hanao zava-mahagaga ho an'ny maty ve Ianao? Ireo izay efa maty ve hitsangana ary hidera Anao? Sela 11 Hambara ao am-pasana ve ny fanekena mahatoky nao, ny tsy fivadihanao any amin'ny toeran'ny maty? 12 Ho fantatra ao amin'ny haizina ve ny asa mahagaganao, na ny fahamarinanao ao amin'ny toeran'ny fanadinoana? 13 Fa mitomany aminao aho, ry Yaveh; ho tonga eo anatrehanao ny vavako ny maraina. 14 Ry Yaveh, nahoana aho no lavinao? Nahoana no hafeninao amiko ny tavanao? 15 Efa nampahoriana foana aho ary saika tamin'ny fahafatesana ny fahatanoràko. Nampijalian'ny fampitahoranao aho; dia mamoy fo. 16 Efa nandalo teo amiko ny asan'ny fahatezeranao. Ary ny asa mampiorohoronao efa namono ahy. 17 Nandifitra ahy toy ny rano tontolo andro izy ireo; efa nanodidina ahy avokoa izy ireo. 18 Efa nalavirinao tamiko ireo namana sy ireo akaiky ahy. Ary ny aizina ihany no hany akaiky ahy.