Faha 87

1 Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i kora; tonon-kira iray. Eo amin'ny tendrom-bohitra masina no mitsangana ny tanàna izay nahoriny; 2 Tian'i Yaveh ny vavahadin'i Ziona mihoatra ny lain'i Jakoba rehetra. 3 Ambara aminao ny zava-mahagaga, ry tanànan'Andriamanitra. Sela 4 Tononiko am'ireo mpanara-dia ahy Rahaba sy Babilona. Indr'ireto àry Filistia, sy Tyro, mbamin'ireo Etopia__ary hanao hoe: 'Teraka tany ity iray ity."' 5 Ny amin'ny Ziona dia lazaina hoe: "Ny tsirairay tamin'izy ireo dia naterany; ary ny Avo indrindra miitsy no hanorina azy." 6 Soratan'i Yaveh ao amin'ny bokin'ny fanisan'ny firenena hoe: "Teraka tany ity iray ity." Sela 7 Koa ny mpihira sy ny mpandihy dia hiara hiteny ihany koa hoe: "Ny loharanoko rehetra dia ao aminao."