Salamo faha 86

1 Vavaka nataon'i Davida. Mihainoa, ry Yaveh, ary mamalia ahy, fa mahantra sy mijaly aho. 2 Arovy aho, fa tsy mpivadika; ry Andriamanitro, mba vonjeo ny mpanomponao izay matoky anao. 3 Mba mamindrà fo amiko, ry Tompo, fa mitomany mafy aminao mandrakariva aho. 4 Mba hampifalio ny mpanomponao, fa aminao no hivavahako, ry Tompo. 5 Tsara, Ianao, ry Tompo, ary vonona hamela heloka, ary mampiseho famindram-po lehibe ho an'ireo izay mitaraina aminao Ianao. 6 Ry Yaveh, mihainoa ny vavako; Mandrenesa ny feon'ny fangatahako. 7 Niantso Anao aho tamin'ny androm-pahoriako, fa hamaly ahy ianao. 8 Tsy misy na iray aza azo ampitahaina Aminao amin'ireo andriamanitra, ry Tompo. Tsy misy asa tahaka ireo asanao. 9 Ny firenena rehetra izay efa namboarianao dia ho tonga ary hiankohoka eo anatrehanao, ry Tompo. Dia hanome voninahitra ny anaranao izy ireo. 10 Fa lehibe Ianao ary manao zavatra mahafinaritra; Ianao irery no Andriamanitra. 11 Ampianaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh. Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho. Ampiraiso ny foko mba mba hanehoako fanajana aminao. 12 Ry Tompo Andriamanitro o, hidera anao amin'ny foko manontolo aho; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. 13 Fa lehibe ny fanekena mahatokinao amiko; efa namonjy ny aiko tamin'ny halalin'ny amin'ny fiainan-tsy hita Ianao. 14 Andriamanitra o, efa nitsangana hanohitra ahy ny mpiavonavona. Ny andian'olona mahery setra mifofo ny aiko. Tsy mba mihevitra Anao izy ireo. 15 Fa Ianao, ry Tompo, Andriamanitra mpamindra fo sy be fahasoavana, tsy mora tezitra sady feno famindram-po sy mendrim-pitokisana. 16 Itodiho aho ary manàna indra-fo amiko; omeo ny herinao ny mpanomponao; vonjeo ny zanaka lahin'ny ny mpanompo vavinao. 17 Anehoy famantarana ny sitrakao aho. Ireo izay mankahala ahy dia hahita izany ary homenatra satria Ianao, ry Yaveh, efa nanampy ahy sy nampionona ahy.