Salamo faha 85

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Yaveh o, efa naneho sitraka tamin'ny taninao Ianao; efa naverinao amin'ny laoniny ny fifalian'i Jakoba. 2 Efa navelanao ny otan'ny olonao; efa nosaronanao ny otan'izy ireo rehetra. Sela 3 Efa nanala ny fahatezeranao rehetra Ianao; efa niala tamin'ny hatezerana mahamay Ianao. 4 Ampodio izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay, ary Aoka hiala aminay ny fahatezeranao. 5 Ho tezitra aminay mandrakizay ve ianao? Hitoetra hatrany amin'ireo taranaka any aoriana ve fahatezerana? 6 Tsy hamelona anay indray ve Ianao? Dia hifaly ao aminao ny vahoakanao. 7 Mba haseoy anay ny famindram-ponao, ry Yaveh, omeo anay ny famonjenao. 8 Dia hiaino izay lazain'i Yaveh Andriamanitra aho, fa hihavana amin'ny olony Izy, sy ireo mpanara-dià mahatoky azy. Saingy tsy hiverina amin'ny lalan'ny fahadalàna indray izy ireo. 9 Ny famonjeny dia eo akaikin'ireo izay matahotra Azy tokoa; ary hitoetra amin'ny taninay ny voninahitra. 10 Nihaona ny fifanekena mahatoky sy faha mendreham-pitokisana; efa nifanoroka ny fahamarinana sy fiadanana. 11 Niboiboika avy ao amin'ny tany ny fahamendreham-pitokisana, ary fahamarinana mitazana avy eny amin'ny lanitra. 12 Eny, Yaveh hanome ireo fitahiany tsara, ary hahavokatra ny taninay. 13 Ny fahamarinana handeha eo anoloany, sady hanao lalana ho an'ny diany.