1 Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny fomba Gitita. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Endrey ny hakanton'ny toerana izay hitoeranao, ry Yaveh tompon'ny maro! 2 Maniry fatratra ny kianjan'i Yaveh aho, efa nahareraka ahy ny faniriko izany. Ny foko sy ny momba ahy rehetra miansto mafy an'Andriamanitra velona. 3 Na ny fody aza efa nahita fonenana ho azy ary ny tsikirity nahita akany ho an'ny tenany mba hametrahany ny zanany eo akaikin'ireo alitaranao, ry Yaveh tompon'ny maro, mpanjakako, ary Andrimanitro. 4 Hotahiana ireo izay mitoetra ao an-tranonao; ary hideranao hatrany izy ireo. Sela 5 Hotahiana anie ny olona izay mahery ao aminao, izay manana ny lalana miakatra ny an'i Ziona ao am-pony. 6 Hahita loharano ho sotroina izy ireo, eny ampandehanana mamaky ny Lohasahan'i Baka. Ny loha-orana handrako- pitahiana izany. [Fanamarihana: ny dika-teny sasany misy hoe: "miaraka tamin'ny dobon-drano".] 7 Avy miha-mahery am-pandehanana izy ireo; ny tsirairay amin'izy rehetra dia miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona. 8 Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro o, mandrenesa ny vavako; ry Andriamanitr'i Jakoba o, henoy izay lazaiko! Sela 9 Andriamanitra o, ambeno ny apinganay; manehoa fiahiana ho an'ny voahosotrao. 10 Fa ny andro iray ao amin'ny kianajanao dia lehibe noho ny arivo any an-kafa. Aleoko miandry ny varavaran'ny tranon'Andriamanitro, toy izay mitoetra ao an-dain'ny faharatsiana. 11 Fa Yaveh Andriamanitra no masoandro sy apinga ho anay; hanome fahasoavana sy voninahitra i Yaveh; tsy hiazona zavatra tsara avy amin'ireo izay mandeha amin'ny mahitsy izy. 12 Ry Yaveh tompon'ny maro, sambatra ny olona izay mahatoky anao.