Salamo faha 83

1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitro o, aza mangina! Aza manao tsinotsinona anay ary mitoerà fa aza mamitsaka, ry Andriamanitra o. 2 Indro, manao fikomiana ireo fahavalonao, ary ireo izay mankahala anao dia efa nanandratra ny lohany. 3 Mioko hanohitra ireo vahoakanao izy ireo ary niara-nikasa ny hanohitra ireo voaharonao. 4 Efa niteny izy ireo hoe: "Avia, ary Aoka isika hamotika azy ireo toy ny firenena iray. Ary dia tsy ho tsaroana intsony ny anaran'ny Israely." 5 Dia niara nitetika paik'ady iray izy ireo; ka nikambana hanohitra Anao. 6 Isan'izany ireo lain'i Edoma sy ny Ismaelita, ary ny vahoakan'i Moaba sy ireo Hagrita, izay niara niteti-dratsy niaraka tamin'i 7 Gebala, Amona, Amaleka; ary isan'izany ihany koa Filistia sy ireo mponin'ny Tyro. 8 Nikambana tamin'izy ireo ihany koa i Asiria; manampy ny taranak'i Lota izy ireo. Sela 9 Ataovy amin'izy ireo tahaka ny nataonao tamin'i Mediana, ary tahaka ny nantaonao tamin'i Sisera sy tamin'i Jabina tany amin'ny onin'ny Kisona. 10 Maty tany En-doro izy ireo ary lasa tahaka ny zezika ho an'ny tany. 11 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapak'izy ireo, ary tahaka an'i Zeba sy Zalmona ny andrian'izy ireo rehetra. 12 Hoy izy ireo hoe: "Aoka ho alaintsika ho an'ny tenantsika ny tany fihinanam-bilon'Andriamanitra." 13 Andriamanitro o, ataovy tahaka ny tadio, tahaka ny akofa eo anoloan'ny rivotra, 14 tahaka ny afo izay mandoro ny ala, ary tahaka ny lelan'afo izay mampirehitra ireo tendrombohitra izy ireo. 15 Hazao amin'ny rivo-maherinao izy ireo, ary ampitahory amin'ny tafio-drivotrao. 16 Fenoy henatra ny tavan'izy ireo, mba hitadiavan'izy ireo ny anaranao, ry Yaveh. 17 Hatao menatra, sy raiki-tahotra mandrakizay anie izy ireo; ary ho faty ao anaty fahafaham-baraka anie izy ireo. 18 Ary dia ho fantatr'izy ireo fa Ianao irery ihany, ry Yaveh, no Ilay Avo indrindra manerana ny tany rehetra.