1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia ao amin'ny fiangonana masina; eo afovoan'ireo andriamanitra omeny fitsarana. 2 Mandrapaha oviana no hitsaranareo tsy ara-drariny sy haneho fiangarana amin'ny ratsy fanahy? Sela 3 Arovy ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo. 4 Vonjeo ny mahantra sy ny ory; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy ireo. 5 Tsy nahalala na nahatakatra akory izy ireo; nirenireny tao anaty aizina izy ireo; nirodana avokoa ireo fiorenanan'ny tany rehetra." 6 Hoy aho: "Ianareo no andrimanitra, ary ianareo rehetra dia zanaky ny Avo Indrindra. 7 Na izany aza dia ho faty tahaka ny olona sy ho lavo tahaka ny iray amin'ireo andriana ianareo.'' 8 MitsangĂ na, ry Andriamanitra, tsarao ny tany, fa manana lova amin'ny firenena rehetra Ianao.