Salamo faha 81

1 Mihirà mafy ho an'Andriamanitra herintsika; miantsoa mafy amin'ny hafaliana ho an'Anandriamanitr'i Jakoba. 2 Mihirà tonon-kira ary velezo ny aponga tapaka, ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha. 3 Tsofy ny tandrok'anjomara amin'ny andron'ny volana vaovao, amin'ny andron'ny volana fenomanana, rehefa miantomboka ny andro firavoravoantsika. 4 Fa lalàna ho an'Israely izany, didy nomen'Andriamanitr'i Jakoba. 5 Navoakany ho didy aman-pitsipika ao amin'i Josefa izany, rehefa nandeha nanohitra ny tanin'ny Egypta izy, rehefa nandrenesako feo izay tsy fatatro: 6 Nesoriko ny entana teo an-tsorony, afaka amin'ny fihazonana sobika ny tanany. 7 Dia niantso mafy tao anatin'ny halaelonao ianao, dia namonjy anao Aho; dia namaly anao avy ao amin'ny kotro-drahona maizina aho. Nitsapa anao tao amin'ny ranon'ny Meriba aho. Sela 8 Mihainoa, ry vahoakako, fa hampitandrina anareo aho, ry Israely, raha hiaino Ahy ihany ianareo! 9 Tsy tokony hisy andriamanitra hafa eo aminareo; tsy tokony hanompo andriamanitra hafa ianareo. 10 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo niala avy any amin'ny tany Egypta. Sokafy midanadana ny vavanareo, dia hameno izany aho. 11 Saingy tsy nihaino ireo teniko ny oloko, tsy nankatò ahy ny Israely. 12 Dia natolotro teo amin'ny hamafisan-dohan'izy ireo ihany izy ireo mba hahafahany manao izay hitany fa mety aminy. 13 Indrisy, raha mba hiaino ahy ny oloko; indrisy, raha mba handeha amin'ny lalako ny oloko. 14 Dia haringako faingana ny fahavalon'izy ireo, dia ahinjitro hanohitra ny mpampahory azy ireo ny tanako. 15 Enga anie ireo izay manakahala an'i Yaveh hikoy amin-tahotra eo anatrehany! Ho menatra mandrakizay anie izy ireo. 16 Ho fahanako vary tsara indrindra ny Iasraely; homeko fahafaham-po amin'ny tantely avy amin'ny vatolampy ianareo."