Salamo faha 80

1 Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Mihainoa, ry mpiandry ny Israely, Ianao izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima, mamirapirata eo aminay! 2 Eo imason'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ampiharo ny fahefanao; avia ka vonjeo izahay. 3 Andriamanitra o, avereno izahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay. 4 Ry Yaveh Andriamanitry ny maro o, mandra-pahoviana Ianao no ho tezitra amin'ny olonao raha mivavaka izy ireo? 5 Ianao efa namahana azy ireo tamin'ny mofon-dranomaso ary nanome azy ireo ranomaso be dia be hosotroiny. 6 Manao anay ho zavatra hifandirana ho an'ny mpiara-monina aminay Ianao, ary ny fahavalonay miomehy ny momba anay eo amin'izy ireo. 7 Ry Andriamanitry ny maro o, avereno izahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay. 8 Ianao nitondra voaloboka avy tany Egypta; ary namoaka ireo firenena sy namboly izany. 9 Nanadio ny tany ho an'izany Ianao; namaka izany ka nameno ny tany. 10 Ireo tendrombohitra dia voarakotry ny alokalony, ireo Sederan'Andriamanitra alofan'ny sampany. 11 Naparitany hatrany amin'ny ranomasina ireo sampany ary ny sakeliny tamin'ny Ony Efroata. 12 Nahoana no noravanao ireo mandany koa dia nioty ireo voany ireo rehetra nandalo. 13 Ireo lambo any an'ala manimba izany ary ny bibin'ny saha mihinana izany. 14 Miverena, ry Andriamanitry ny maro o; tsinjovy avy eny an-danitra ka hevero ka karakarao ity voaloboka ity. 15 Ity no faka izay nambolen'ny tananao ankavanana, ny sampany izay nampanirinao. 16 Nodorana izany ka voakapa; maty nohon'ny fibedesanao izy ireo. 17 Aoka ny tananao ho eo amin'ny olon'ny tananao ankavanana, ho eo amin'ny zanaky ny olona izay nampaherezinao ho Anao. 18 Dia tsy hiala Aminao izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao. 19 Ry Yaveh Andriamanitry ny maro o, ampodio izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, ary dia ho voavonjy izahay.