Salamo faha 79

1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra o,ireo firenen-kafa efa tonga teo amin'ny lovanao; efa voaloton'izy ireo ny tempolinao masina; efa nanao an' i Jerosalema ho fandravana antotan-javatra izy ireo. 2 Efa nanome ireo fatin'ny mpanomponao ho sakafon'ny vorona eny amin'ny habakabaka izy ireo, ny vatan'ireo olonao matoky ho an'ny bibin'ny tany. 3 Efa nalatsak'izy ireo toy ny rano manodidina an'i Jerosalema ny ràn'izy ireo, ary tsy nisy olona mba handevina azy ireo. 4 Tonga fahafaham-baraka ho an'ireo mpiarabelona aminay izahay, eso sy fihomehezana ho an'ireo izay manodidina anay. 5 Mandrapa-hoavina, ry Yaveh? Ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao? Mandrapa-hoavina ny fahatezeran'ny fahasarotam-piaronao no handoro tahaka ny afo? 6 Aidino amin'ireo firenena izay tsy mahalala anao sy eo amin'ireo fanjaka izay tsy manao ny fiantsoana amin'ny anaranao ny fahatezeranao. 7 Fa efa nandevona an'i Jakoba ary nandrava ny tananany izy ireo. 8 Aza miazona ireo fahotan'ireo razanay hanohitra anay; aoka ny asan'ny famindramponao no ho tonga aminay, fa tena osa izahay. 9 Ampio izahay, ry Andriamanitry ny famonjenay, nohon'ny voninahitry ny anaranao; vonjeo izahay ary mamelà ny helokay noho ny anaranao. 10 Nahoana ireo firenena no hiteny hoe: "Aiza ny Andriamanitr'izy ireo?" Aoka ny ràn'ny mpanomponao izay nalatsaka no hamaly faty ireo firenena izay manoloana ny masonao. 11 Aoka ny fisenton'ireo gadra no ho tonga eo anoloanao; amin'ny haleben'ny fahefanao no hitazomana ny zanaky ny fahafatesana ho velona. 12 Valio impito heny eo am-pofoan'ireo firenena akaiky anay mihoatra ny faniratsirana izay efa naniratsirany Anao, ry Tompo. 13 Fa izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hanome fisaorana Anao mandrakizay. Hanambara ny fiderana Anao amin'ireo taranaka rehetra izahay.