1 Henoy ny fampianarako, ry vahoaka, henoy ireo teny aloaky ny vavako. 2 Hanokatra ny vavako amin'ny fanoharana aho; hihira mahakasika ny zava-miafina momba ny lasa aho. 3 Ireo dia zavatra efa henontsika sy efa nianarantsika, zavatra izay efa nolazain'ireo razambentsika antsika. 4 Tsy hanafina ireo amin'ireo taranany isika. Hilaza amin'ireo taranaka mandimby ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh isika, ny heriny, ary ireo zava-mahagaga efa vitany. 5 Fa nametraka didim-panekena tamin'i Jakoba Izy, ary nanendry lalàna tany Israely. Nandidy ireo razambentsika Izy mba hampianatra ireo amin'ireo zanany. 6 Nandidy izany Izy mba hahalalan'ireo taranaka handimby ireo didiny, dia ireo zanaka mbola tsy teraka akory, izay tokony hitory izany amin'ny zanak'izy ireo manokana. 7 Ary hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra izy ireo ka tsy hanadino ireo asany, fa hitandrina ireo didiny. 8 Ary dia tsy ho tahaka ireo razambeny, izay mafy hatoka sy taranaka mpikomy, taranaka izay tsy mba mahitsy fo, ary izay tsy nanolotra ny fanahiny sy fahatokisana tamin'Andriamanitra izy ireo. 9 Ireo Efraimita dia nirongo tsipìka, kanefa dia nihemotra izy ireo tamin'ny andron'ny ady. 10 Tsy nitandrina ny fanekena tamin'Andriamanitra izy ireo, ary nandà ny hankatò ny lalàny. 11 Nanadino ireo asany, ireo zava-mahagaga izay efa nasehony azy izy ireo. 12 Nanadino ireo zava-mahagaga izay nataony teo imason'ireo razambeny, tany amin'ny tany Egypta, tanin'ny Zoana izy ireo. 13 Nanasaraka ny ranomasina Izy ary nitondra azy ireo namakivaky izany; nataony nitsangana tahaka ny manda ny rano. 14 Rahona no nitarihany azy ireo raha andro, ary tamin'ny afo mazava raha alina. 15 Namaky ny vato tany an'efitra Izy, ary nanome rano be dia be azy ireo, ampy hamenoana ny halalin'ny ranomasina. 16 Namoaka rano avy tamin'ny haram-bato Izy, ary nataony nikoriana tahaka ny renirano ny rano. 17 Kanjo mbola nanohy nanota taminy ihany izy ireo, fikomiana hanoherana ilay Avo indrindra tany an'efitra. 18 Nihantsy Andriamanitra tamin'ny fony izy ireo, tamin'ny alalan'ny fangatahana sakafo mba hahavoky azy ireo. 19 Niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa ve Andriamanitra? 20 Indro, raha namaky ny vato Izy, dia niraraka ny rano ary nikoriana nitobatobaka. Fa afaka manome mofo ihany koa ve Izy? Hanome hena ho an'ireo vahoakany ve Izy?" 21 Rehefa rèn'i Yaveh izany, dia tezitra Izy; ka dia nandoro an'i Jakoba ny afony, ary namely ny Israely ny fahatezerany, 22 satria izy ireo dia tsy nino an'Andriamanitra ary tsy natoky ny famonjeny. 23 Kinanjo nandidy ny habakabaka ambony Izy ary nanokatra ireo varavaran'ny lanitra. 24 Nandraraka mana toy ny ranon'orana mba hohanin'izy ireo Izy, ary nanome vary azy ireo avy any an-danitra. 25 Nihinana ny mofon'ireo anjely ny vahoaka. Nandefa sakafo be dia be ho azy ireo Izy. 26 Nampitsoka ny rivotra avy any atsinana teny amin'ny habakabaka izy, ary tamin'ny alalan'ny heriny no nibaikony ny rivotra avy any atsimo. 27 Nandatsaka hena teo amin'izy ireo tahaka ny vovoka Izy, vorona maro tahaka ny fasi-dranomasina. 28 Ireo dia nilatsaka teo ampovoan'ny tobin'izy ireo, nanodidina ireo lain'izy ireo rehetra. 29 Ary dia nihinana izy ireo ka voky. Nomeny azy ireo izay niriany mafy. 30 Kanefa izy ireo dia mbola tsy afa-po; ny hanin'izy ireo dia mbola teny am-bavany. 31 Koa dia namely azy ireo ny fahatezeran'Andriamanitra ary namono ny matanjaka indrindra tamin'izy ireo. Nandavo ireo ny zatovo lahin'i Israely. 32 Na dia teo aza izany, dia mbola nanota ihany izy ireo, ary tsy nino ireo asany mahatalanjona. 33 Noho izany dia nanafohy ny andron'izy ireo Andriamanitra; ary feno horohoro ny taonan'izy ireo. 34 Na oviana na oviana no nampahorin'Andriamanitra azy ireo, dia hanomboka hikatsaka Azy izy ireo, ary hiverina sy hitady Azy fatratra. 35 Ho tsaroan'izy ireo fa Andriamanitra no vatolampin'izy ireo ary ilay Andriamanitra Avo Indrindra no mpanavotra azy. 36 Kanefa hanao vava malefaka Aminy izy ireo ary handainga Aminy amin'ny tenin' izy ireo. 37 Satria ny fon'izy ireo dia tsy mbola nifikitra tanteraka taminy, ary izy ireo dia tsy nahatoky ny fanekeny. 38 Fa Izy kosa, amin'ny maha mpamindra fo, dia namela ny helok'izy ireo ary tsy namotika azy ireo. Eny, matetika Izy no mitazona ny hatezerany, ary tsy nanetsika ny fahavinirany rehetra. 39 Tsaroany fa izy ireo dia vita tamin'ny nofo, rivotra mandalo ary tsy miverina. 40 Impiry moa izy ireo no nikomy hanohitra Azy tany an'efitra, ary nampalahelo Azy tany amin'ny tany ngazana! 41 Nihantsy an'i Yaveh hatrany hatrany izy ireo ary nanafitohina Ilay Masin'i Israely. 42 Tsy nisaina ny amin'ny heriny izy ireo, izay nanavotany azy ireo tamin'ny fahavalony 43 raha nanatanteraka ireo famantarany mampihorohoro tany Egypta sy ireo fahagagany tany amin'ny faritanin'i Zoana Izy. 44 Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsy hahafahan'izy ireo misotro eo amin'ny reniranony. 45 Nandefa andian-dalitra izay nandevona azy ireo Izy ary sahona izay niely tamin'ny tanin'izy ireo. 46 Nomeny ny sompanga ny vokatr'izy ireo ary ny asany nomeny ny valala. 47 Nopotehiny tamin'ny havandra ny voalobok'izy ireo ary ny amontan'izy ireo tamin'ny havandra maro. 48 Nandraraka havandra tamin'ny biby fiompin'izy ireo sy varatra tamin'ny ondry aman'osiny Izy. 49 Nikapoka azy ireo ny firehetan'ny fahatezerany. Nandefa fahavinirana, fahatezerana, ary fahoriana tahaka ny singa mitondra loza Izy. 50 Nampahitsy lalana ho an'ny fahatezerany Izy; tsy niaro azy ireo tamin'ny fahafatesana Izy; saingy nanolotra azy ireo teo amin'ny areti-mandringana. 51 Namono ny lahimatoa rehetra tao Egypta Izy, ny voalohan-teraky ny herin'izy ireo tao an-dain'i Hama. 52 Nitondra ny olony nivoaka tahaka ny ondry Izy ary nitarika azy ireo tany an'efitra tahaka ny andian'ondry. 53 Nentiny am-pilaminanana izy ireo ka tsy natahotra, fa ny ranomasina nandifotra ireo fahavalony. 54 Ary nitondra azy ireo tany amoron'ny tany masina Izy, tamin'izany tendrombohitra izay azo'ny tanany an-kavanana izany. 55 Nandroaka ireo firenena teo anoloan'izy ireo Izy ary nanendry azy ireo ho lovany. Nametraka ireo fokon'ny Israely tao an-dain'izy ireo Izy. 56 Nefa niantsy sy niaika ilay Andriamanitra Avo Indrindra izy ireo ary tsy nitandrina ireo didy masiny. 57 Tsy nahatoky izy ireo ary nivadika tahaka ireo razany; nania tahaka ny tsipìka manjiona izy ireo. 58 Satria izy ireo nampatezitra azy tamin'ny fitoerana avon'izy ireo ary nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ireo sampy. 59 Rehefa nahare izany Yaveh, dia tezitra, ary nandà tanteraka an'i Israely. 60 Nandao ny fitoerana masina tao Silo Izy, ilay lay izay nitoerany teo amin'ireo vahoaka. 61 Namela ny heriny ho babo Izy, ary nanome ny voninahiny ho eo an-tanan'ireo fahavalo. 62 Nanolotra ny olony ho amin'ny sabatra Izy, ary tezitra tamin'ny lovany Izy. 63 Ny afo nandevona ireo zatovo lahiny, ary ireo zatovo vaviny dia tsy mba nanana hira fampakarana. 64 Lavon'ny sabatra ireo mpisorony, ary tsy naha-tomany ireo mpitondratenan'izy ireo. 65 Avy eo dia nifoha tahaka ny iray avy natory ny Tompo, tahaka ny mpiady miantsoantso nohon'ny divay. 66 Dia nandroaka ireo fahavalony Izy; ary nametraka azy ireo tany amin'ny fahafaham-baraka mandrakizay. 67 Nolaviny ny lain'i Josefa, ary tsy nisafidy ny fokon'i Efraima Izy. 68 Ny fokon'i Joda no nosafidiany ary ny tendrombohitra Ziona izay tiany. 69 Nanorina ny fitoerany masina tahaka ny lanitra izy, ary tahaka ny tany izay efa nahoriny mandrakizay. 70 Nisafidy an'i Davida, mpanompony Izy, ary naka azy avy tany am-balan'ondry. 71 Naka azy avy tamin'ny fanarahana ireo ondry vavy mbamin'ny zanany Izy, ary nanao azy ho mpiandry an'i Jakoba, ny vahoakany, ary ny Israely, ny lovany. 72 Niandry azy ireo tamin'ny fahitsian'ny fony i Davida, ary nitondra azy ireo tamin'ny fahaizan'ny tanany.