Salamo faha 77

1 Hiantso mafy an'Andriamanitra amin'ny feoko aho; Hiantso an'Andriamanitra amin'ny feoko aho, ary hahare ahy ny Andriamanitro. 2 Nitady ny Tompo aho tamin'ny androm-pahoriako; naninjitra ny tanako aho nony alina, ary tsy nety reraka izy ireo. Tsy nety nampiononina ny fanahiko. 3 Nieritreritra any Andriamanitra teo am- pisentoana aho; rehefa niha antitra aho dia nieritreritra ny momba Azy. Sela 4 Nitazona ny masoko hisokatra ianao; ory tanteraka aho raha hiteny. 5 Nieritreritra ireo andro fahiny aho, ireo fotoana maro lasa. 6 Nandritra ny alina dia nahatsiaro ilay hira nohiraiko indray mandeha aho. Nandinika tsara aho ary niezaka nahalala izay nitranga. 7 Handà ahy manadrakizay ve ny Tompo? Tsy hankasitraka ahy intsony ve Izy? 8 Moa ve tsy efa lasa mandrakizay ny tsy fivadiham-panekeny? Moa ve tsy efa foana mandrakizay ny fampanantenany? 9 Moa ve Andriamanitra efa nanadino ny maha mpamindra fo? Moa ve ny fahatezerany efa nanidy ny fangoraham-pony? Sela 10 Hoy aho hoe: "Izao no alaheloko: dia ny niovan'ny tanana an-kavanan'ilay Avo Indrindra manoloana antsika." 11 Fa hotsaroako ireo asanao, ry Yaveh; hisaina ny amin'ireo asanao mahagaga fahiny aho. 12 Hisaintsaina ireo asanao rehetra aho, ary handinika azy ireo. 13 Ry Andriamanitra, ny lalanao, dia masina; andriamanitra inona moa no hampitahaina amin'Andriamanitray lehibe? 14 Ianao ilay Andriamanitra izay manao fahagagana; efa naneho ny herinao teo amin'ireo olonao ianao. 15 Nanome fandresena ny vahoakanao tamin'ny alalan'ny herinao lehibe__ireo taranak'i Jakoba sy Josefa Ianao. Sela 16 Ny rano nahita anao, ry Andriamanitra; nahita anao ny rano, ary dia raiki-tahotra; nihorohoro ny lalina. 17 Nandraraka ranon'orana ny rahona. Ny habakabaka feno rahona namoaka feo; Nifanaretsaka ny tsipìkanao. 18 Ny feonao mikotroka dia rè ao amin'ny rivotra; ny tselatra nanazava izao tontolo izao; nihorohoro sy nangozohozo ny tany. 19 Nandalo tamin'ny ranomasina ny lalanao ary ny dianao tamin'ny rano manonja, fa ny dian-tongotrao dia tsy tazana. 20 Nitondra ny vahoakanao tahaka ny biby fiompy tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy sy Arona Ianao.