Salamo faha 76

1 Ho an'ilay mpiventy hira, amin'ny lokanga. Salamo iray nataon'i Asafa, hira iray. Nampahafantatra ny tenany tao Joda Andriamanitra; lehibe ao Israely ny Anarany. 2 Ao Salema ny lainy; ao Ziona ny toerana fonenany. 3 Tany Izy no nanapaka ireo zana-tsipîkan'ny tsipîka, ny ampinga, ny sabatra, ary ireo fitaovam-piadiana hafa. Sela 4 Mampamirapiratra ny fahazavanao ary manambara ny voninahitrao Ianao, raha nidina avy any amin'ireo tendrombohitra, tany amin'izay namonoanao ireo niharan'ny voinao. 5 Voababo ny mahery fo; ka renoka izy ireo. Tsy afa-nanoatra ireo mpiady rehetra. 6 Ry Andriamanitr'i Jakoba, tamin'ny fitenenanao mafy, dia samy renoky ny torimaso ny mpitaingina sy ny soavaly. 7 Ianao, eny Ianao, dia hatahorana; iza no afaka hitsangana eo imasonao rehefa tezitra Ianao? 8 Avy any an-danitra ny fitsarànao no nampandrenesinao; natahotra sy nangina ny tany 9 rehefa nitsangana hanatanteraka ny fitsaràna sy hanavotra izay nampahoriana rehetran'ny tany Ianao, ry Andriamanitra. Sela 10 Hitondra fiderana ho Anao tokoa ny fahatezeran'ny fitsaranao ny olombelona; tazominao ho an'ny tenanao ny sisan'ny fahatezeranao. 11 Manaova voady amin'i Yaveh Andriamanitrao ary tàno ireny. Hitondra fanomezana ho Azy izay hatahorana anie ireo rehetra izay manodidina Azy. 12 Manapaka ny fanahin'ireo andriana Izy; hatahoran'ireo mpanjakan'ny tany Izy.