Salamo faha 75

1 Ho an'ilay mpiventy hira; atao Al-tasheth. Salamo iray nataon'i Asafa, hira iray. Manome fisaorana Anao izahay, ry Andriamanitra; manome fisaorana izahay, fa nanambara ny fanatrehanao Ianao; milaza ireo asanao mahagaga ny olona. 2 Hitsara ara-drariny Aho amin'ny fotoana voatondro. 3 Na dia hiovitrovitra amin-tahotra aza ny tany sy ireo mponina rehetra, dia hamafisiko ireo andrin'ny tany. Sela 4 Hoy aho tamin'ny mpiavonavona: "Aza miavonavona," ary tamin'ny ratsy fanahy hoe: "Aza asandratra ny tandroka." 5 Aza asandratra amin'ny hahavony ny tandrokao; aza miteny amin'ny atoka miavonavona." 6 Tsy avy any antsinanana izany na avy any andrefana, ary tsy avy any amin'ny tany efitra no hahatongavan'izany fanandratana izany. 7 Fa Andriamanitra no mpitsara; mampietry sy manandratra Izy. 8 Fa mitazona kapoaka misy divay mandroatra eny an-tanany, izay nafangaro tamin'ny zava-manitra i Yaveh, ary mandraraka izany. Hisotro izany hatramin'ny fara-faikany tokoa ireo ratsy fanahin'ny tany. 9 Fa ho lazaiko hatrany hatrany izay nataonao; hihira fiderana ho an'ny Andriamanitr'i Jakoba aho. 10 Hoy izy: "Hotapahiko ny tandroka rehetran'ireo ratsy fanahy, fa ireo tandroky ny marina kosa dia hisandratra."