1 Hanome fisaorana an'i Yaveh amin'ny foko manontolo aho; hanambara ny asa mahagaga nataonao aho. 2 Ho ravo sy hifaly aminao aho; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho, ry Avo Indrindra! 3 Rehefa miverina ny fahavaloko, dia ho tafintohina sy ho faty manoloana Anao izy ireo. 4 Fa efa niaro ny rariny Ianao; mipetraka eo amin'ny seza fiandriananao Ianao, ry mpitsara marina! 5 Efa niteny mafy ireo firenena Ianao; efa nandrava ireo ratsy fanahy Ianao. efa nofafanao mandrakizay doria ny anaran'izy ireo. 6 Nirodana toy ny faharavana ireo fahavalo raha nandrava ny tanànan'izy ireo Ianao. Very ny fahatsiarovana azy ireo rehetra. 7 Fa mitoetra mandrakizay i Yaveh, nametraka ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsina Izy. 8 Hitsara ny tany amin'ny fahamarinana Izy, ary hampiatra fitsarana ho an'ny firenena amin'ny rariny Izy. 9 Ho fiarovana mafy ho an'ireo ampahoriana ihany koa Izy, ho fiarovana mafy amin'ny fotoanan'ny olana. 10 Ireo izay mahalala ny anaranao dia matoky Anao, fa Ianao, ry Yaveh, tsy mandao ireo izay mitady Anao. 11 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, izay manapaka ao Ziona, ambarao amin'ny firenena rehetra izay nataony. 12 Fa Andriamanitra izay mamaly ny fandatsahan-drà dia mahatsiaro; tsy manadino ny fitarainan'ireo ory Izy. 13 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh; jereo ny fampahorian'ireo izay mankahala ahy, Ianao izay afaka mandrombaka ahy eo ambavahadin'ny fahafatesana. 14 Endrey, te hanambara ny fiderana Anao rehetra aho. Eo ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona aho no hifaly amin'ny famonjenao! 15 Nilentika tao amin'ny lavaka izay nataon'izy ireo ny firenena; tratra tao amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ny tongony. 16 Nampahafantatra ny tenany i Yaveh; nampiatra fitsarana Izy; voafandrika tamin'ny nataony ihany ireo ratsy fanahy. Sela. 17 Naverina sy nalefa any amin'ny fiainan-tsy hita ny ratsy fanahy, ny anjaran'ireo firenena rehetra izay manadino an'Andriamanitra. 18 Fa ireo mahantra dia tsy ho adinoina mihitsy, ny fanantenan'ny ory koa dia tsy ho very mandrakizay. 19 Mitsangàna, ry Yaveh, aza avela handresy Anao ny olona; aoka ny firenena ho tsaraina eo imasonao. 20 Mampihorohoroa azy ireo, ry Yaveh; aoka ho fantatry ny firenena rehetra fa olona ihany izy ireo. Sela.