Salamo faha 8

1 Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh Andriamanitra o, endrey ny hatsaran'ny anaranao eo amin'ny tany rehetra, Ianao izay maneho ny voninahitra eny amin'ny lanitra ambony. 2 Avy amin'ny vavan'ny zazakely sy ny ankizy no efa nanorenanao fiderana noho ny amin'ireo fahavalonao, mba hampanginana ny fahavalo sy ny mpamaly faty. 3 Raha miandrandra ny lanitrao aho, izay efa nataon'ny tananao, ny volana sy ireo kintana, izay napetrakao tamin'ny toerany, 4 inona moa ny olona no ahatsiarovana azy na ny olombelona no hirarahianao azy ireo? 5 kanefa nataonao ambany kely noho zava-manan'aina eny any an-danitra izy ireo ary nampisatrohinao voninahitra sy haja. 6 Ataonao mpanapaka eo amin'ireo asa-tananao izy; nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: 7 ny ondry aman'osy sy ny omby, ary izay biby rehetra ao amin'ny saha, 8 ireo vorona eny an'abakabaka, sy ireo trondro any an-dranoamasina, ny zavatra rehetra izay mandalo eo amin'ny lalan-dranomasina. 9 Ry Yaveh Tomponay, endrey ny hatsaran'ny anaranao eo amin'ny tany rehetra!