1 Mozika nosoratan'i Davida, izay nirainy ho an'i Yaveh mahakasika ireo tenin'i Kosa ilay Benjamita. Ry Yaveh Andriamanitro, mialoka ao Aminao aho! Afaho amin'ireo izay manenjika ahy aho, ary avoty. 2 Raha tsy izany, hoviravirain'ireo toy ny liona aho, rovidrovitiny tsy misy olona afaka hitondra fiarovana ho ahy. 3 Ry Yaveh Andriamanitro, tsy mbola nanao izay nolazain'ireo fahavaloko ho nataoko mihintsy aho; tsy misy tsy fahamarinana eo amin'ny tanako. 4 Tsy mbola nanao ratsy tamin'iza na iza tsara fihavanana tamiko aho, na nanisy ratsy izay nanohitra ahy amin'ny tsy misy antony. 5 Raha tsy milaza ny marina aho dia aoka hanenjika ny aiko ary hahatratra izany ny fahavaloko; aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany ary hapandry ny voninahitro amin'ny vovoka. Sela 6 Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny fahatezeranao; mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko; mifoaza hanampy ahy sy hanatanteraka ny didy marina izay efa nandidianao ho azy ireo. 7 Miangona manodidina anao ireo firenena; alaivo indray ny toeranao marina eo amin'izy ireo. 8 Ry Yaveh, tsarao ireo firenena; hamarino aho, ry Yaveh, satria marina sy tsy manan-tsiny aho, ry Avo Indrindra. 9 Aoka hifarana ny asa ratsin'ny ratsy fanahy, fa apetrao ireo olo-marina, ry Andriamanitra marina, izay mandinika ny fo sy ny eritreritra. 10 Avy amin'Andriamanitra ny ampingako, ilay tokana izay mamonjy ny mahintsy am-po. 11 Mpitsara marina Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tezitra isan'andro. 12 Raha tsy mibebaka ny olona iray, handranitra ny sabany Andriamanitra ary hanomana ny tsipìkany ho amin'ny ady. 13 Manomana ny fampiasana ireo fitaovam-piadina hanoherana azy Izy; ataony miredareda ireo zana-tsipìkany voalambolambo. 14 Eritrereto ny amin'ny olona izay bevohokan'ny faharatsiana, izay manao tetika mandrava, izay miteraka lainga hampidi-doza. 15 Mandavaka fatsakana izy ary manalalaka izany ary latsaka ao amin'ny lavaka izay nataony izy. 16 Miverina ao an-dohany ihany ireo fikasany hanimba, miverina ao an-dohany ihany ny herisetrany. 17 Hisaotra an'i Yaveh noho ny fahitsiny aho; hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo Indrindra aho.