Salamo faha 6

1 Ry Yaveh, aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao na manafay ahy amin'ny fahaviniranao. 2 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa osa aho; sitrano aho, ry Yaveh, fa mangovitra ireo taolako. 3 Ory loatra ihany koa ny fanahiko. Nefa Ianao, ry Yaveh_ mandra-pahoviana no hitohizan'izany? 4 Miverena, ry Yaveh! vonjeo aho. Vonjeo nohon'ny famonjenao mahatoky aho! 5 Fa tsy misy fahatsairovana Anao any amin'ny fahafatesana. Iza no hisaotra Anao any amin'ny fiainan-tsy hita? 6 Reraky ny sentoko aho. Isan'alina manakotsa ny fandriako amin'ny ranomaso aho; manasa ny fandriako amin'ny ranomasoko aho. 7 Lanin'alahelo ny masoko; tonga tsy manan-kery izy ireo noho ireo fahavaloko rehetra. 8 Mialà amiko, ianareo mpanao heloka rehetra; fa Yaveh efa nandre ny feon'ny fitomaniko. 9 Yaveh efa nandre ny antsoko ny amin'ny famindrampo; Yaveh efa nanaiky ny fivavako. 10 Ho menatra sy hangovitra indrindra ireo fahavaloko rehetra. Hiverina izy ireo ka ho menatra tampoka.