Ho an'ilay mpiventy hira; amin'ireo zava-maneno tsofina. Salamo nataon'i Davida. 1 Henoy ny antsoko Aminao, ry Yaveh; hevero ireo fitarainako. 2 Henoy ny feon'ny antsoko, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Aminao aho no mivavaka. 3 Ry Yaveh, mandre ny tarainako Ianao amin'ny maraina; mitondra ny fiangaviako Aminao aho amin'ny maraina ary miandry manantena. 4 Tsy Andriamanitra manaiky ny ratsy tokoa Ianao; ireo olon-dratsy dia tsy ho vahininao. 5 Ny mpiavonavona dia tsy hitsangana eo amin'ny fanatrehanao; halanao ireo izay manana fitondran-tena ratsy. 6 Hamotika ireo mpandainga Ianao; Yaveh dia manao tsinontsinona ny herisetra sy ireo olona mpamitaka. 7 Fa raha ny amiko, nohon'ny fanekenao mahatoky lehibe, dia ho tonga ao an-tranonao aho; amim-panajana no hiankohofako manoloana ny tempolinao masina. 8 Ry Tompoko, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ireo fahavaloko; ataovy mahitsy manoloana ahy ny lalanao. 9 Fa tsy misy fahamarinana eo amin'ny vavan'izy ireo; ratsy ny ao anatin'izy ireo, fasana misokatra ny tendan'izy ireo; malefaka izy ireo amin'ny fiteniny. 10 Ambarao ho meloka izy ireo, ry Andriamanitra; aoka ho faharavan'izy ireo ny tetiny! Avohay amin'ireo fandikan-dalàny maro izy ireo, satria nikomy nanohitra Anao. 11 Fa aoka hifaly ireo rehetra izay mialoka Aminao; aoka izy ireo hihiaka am-pifaliana satria miaro azy ireo Ianao; aoka hifaly ao Aminao izy ireo, dia ireo izay tia ny anaranao. 12 Fa hitahy ny marina Ianao, ry Yaveh; hiodidina azy ireo amin'ny sitraka toy ny amin'ny fiarovana Ianao.