1 Nahoana, ry Yaveh, no mijanona eny lavitra eny Ianao? Nahoana no manafina ny tenanano amin'ny andro fahoriana Ianao? 2 Nohon'ny avonavon'izy ireo, dia manenjika ny ory ny ratsy fanahy; nefa aoka re ny ratsy fanahy ho voafandriky ny eritreritr'izy ireo izay noheverin'izy ireo. 3 Fa ireo olona ratsy fanahy dia mirehereha ny amin'ireo faniriany lalina; mitahy ireo tia vola izy ary maniratsira an'i Yaveh. 4 Nanandratra ny tavany ny ratsy fanahy; tsy nitady an'Andriamnaitra izy. Tsy mieritreritra ny momba an'Andriamanitra mihitsy izy satria tsy miraharaha ny momba azy akory. 5 Fiarovana amin'ny fotoana rehetra izy, fa ny didinao marina dia avo loatra ho azy koa; mierona amin'ireo fahavalony rehetra izy. 6 Miteny ao am-pony izy hoe: "Tsy ho lavo mandrakizay aho; hatramin'ny taranako rehetra tsy hahita fahoriana aho." 7 Feno ozona sy fitaka, teny mampidi-doza ny vavany; mandratra sy mamotika ny lelany. 8 Miandry am-piafenana eo akaikin'ireo tanàna izy. Ao amin'ny toerana miafina no hamonoany ny tsy manan-tsiny; mitady ireo niharam-boina tsy afa-manoatra ny masony. 9 Miafina ao amin'ny mangina toy ny liona ao amin'ny kirihitrala izy. Miandriandry ny hisamborana ny ory izy. 10 Samboriny ireo ampahoriana rehefa misintona ao anaty aratony izy. Ireo malahelo dia notorotoroina sy nakapony ambany; milatsaka ao anatin'ny haratony lehibe izy ireo. 11 Miteny ao am-pony izy hoe: "Efa nanadino Andriamanitra; nandrakotra ny tavany Izy, tsy hijery akory Izy." 12 Mitsangàna , ry Yaveh! Asandrato ny tananao, Andriamanitra o! Aza manadino ny ory. 13 Nahoana no mandà an'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy ary miteny ao am-pony hoe: "Tsy hihazona ahy ho tompon'andraikitra ve ianao"? 14 Efa naray filazana ianao, fa hitanao foana ireo izay iharan'ny fahoriana sy alahelo. Miankina aminao ireo tsy afa-manoatra; mamonjy ny kamboty ianao. 15 Tapaho ny sandrin'ireo ratsy fanahy sy olon-dratsy. Ampatsiahivo azy ireo ratsy nataony, izay noheveriny fa tsy ho hitanao. 16 Mpanjaka mandrakizay doria Yaveh; noroasina teo amin'ny taniny ireo firenena. 17 Ry Yaveh, efa nandre ny fitarainan'ireo ory Ianao, mampahery ny fon'izy ireo Ianao, mihaino ny vavak'izy ireo Ianao; 18 miaro ny kamboty sy ny ory ianao ka tsy hisy olona ambon'ny tany hampihorohoro indray.