Salamo faha 11

1 Yaveh no ialofako; ahoana no hilazanao amiko hoe: "Mandosira any an-tendrombohitra Tanaka ny vorona?" 2 Fa indro! Manamboatra ny zana-tsipìkany ny ratsy fanahy. Manenjana ny tsipìkany izy ireo mba hitifirana mahitsy fo ao anaty aizina. 3 Fa raha rava ireo fanorenana, inona no azon'ny marina atao? 4 Yaveh dia ao amin'ny tempoliny masina; mijery ny masony, mandinika ny zanak'olombelona ny masony. 5 Samy dinihin'i Yaveh ny marina sy ny ratsy fanahy, fa Izy dia mankahala ireo tia herisetra. 6 Handatsaka vain'afo mahamay sy solifara amin'ireo ratsy fanahy Izy; rivo-mandoro no ho anjara kapoakany! 7 Fa marina Yaveh, ary tia fahamarinana Izy; ny mahitsy no hahita ny tavany.