1 Vonjeo, ry Yaveh, fa tsy misy intsony ny tsara fanahy; nanjavona ireo mahatoky. 2 Samy miteniteny foana amin'ny mpiara-monina aminy ny olona rehetra; samy miresaka amin'ny molotra mandoka sy fo miroaroa ny olona rehetra. 3 Ry Yaveh, aringano ireo molotra mpiatsaravelatsihy, ny lela rehetra samy hanambara ireo zava-marina. 4 Ireo dia izay niteny hoe: "Ny lelanay no hampandresy anay. Raha miteny ny molotray, iza no afaka handidy eo aminay?" 5 "Nohon'ny herisetra atao amin'ny ory, nohon'ny senton'ny mahantra, dia hitsangana Aho," hoy i Yaveh. Hanome filaminana izay irin'izy ireo fatratra aho." 6 Ireo tenin'i Yaveh dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika ao anaty lafaoro lehibe eto an-tany, nodiovina im-pito. 7 Ianao no Yaveh! Nitandrina azy ireo ianao. Miaro ny olona tsara fanahy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao mandrakizay Ianao. 8 Mandeha na aiza na aiza ny ratsy fanahy rehefa misandratra amin'ny zanak'olombelona ny ratsy.