Salamo faha 73

Salamo nataon'i Asafa. 1 Tena tsara amin'Israely tokoa Andriamanitra, amin'ireo izay madio fo. 2 Fa raha ny amiko, dia saika nibolisatra ny tongotro; saika solafaka ny diako 3 satria nitsiriritra ny avonavona aho rehefa nahita ny fanambinan'ny ratsy fanahy. 4 Fa tsy mijaly izy ireo mandra-pahafatiny, fa matanjaka izy ireo ary vofahana tsara. 5 Afaka amin'ny vesaran'ny olona hafa izy ireo; tsy ory tahaka ny olon-kafa izy ireo. 6 Mandravaka azy ireo tahaka ny rojo manodidina ny vozon'izy ireo ny avonavona; hitafian'izy ireo tahaka ny akanjo ny herisetra. 7 Avy ao amin'ny fahajambana toy izany no hivoahan'ny fahotana; mandalo ao amin'ny fon'izy ireo ny eritreri-dratsy. 8 Maneso sy miteny ratsy izy ireo; amin'ny avonavony izy ireo no mandrahona fampahoriana. 9 Ampanoherin'izy ireo ny lanitra ny vavan'izy ireo, ary mamakivaky ny tany ny lelan'izy ireo. 10 Noho izany ny olony dia mitodika amin'izy ireo ary rano be no voagohika. 11 Hoy izy ireo hoe: "Ahoana no hahafantaran'Andriamanitra? Misy fahalalana ve ilay Avo Indrindra?" 12 Fantaro tsara: olona ratsy fanahy ireo olona ireo; mivaky loha mandrakariva izy ireo, tonga mpanan-karena dia mpanan-karena. 13 Tena zava-poana tokoa ny niambenako ny foko sy ny nanasako ny tanako tamin'ny tsy fananan-tsiny. 14 Fa tamin'ny andro rehetra aho dia efa nampahoriana sy nofaizina isa-maraina. 15 Raha niteny aho hoe: "Holazaiko ireo zavatra ireo," dia ho namadika ity taranaky ny zanakao ity aho. 16 Na dia niezaka nanakatra ireo zavatra ireo aza aho, dia tena sarotra tamiko izany. 17 Ary niditra tao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra aho ary tonga mba hanakatra izay nanjo azy ireo. 18 Napetrakao tamin'ny toerana malama tokoa izy ireo; nentinao tamin'ny faharavana izy ireo. 19 Fotoana fohy no naha-tany efitra azy ireo! Tonga tamin'ny fiafarana izy ireo ary niafara tao amin'ny horohoro mahatsiravina. 20 Tahaka ny nofy aorian'ny fifohazana izy ireo; ry Tompo, rehefa misandratra Ianao, dia tsy hieritreritra na inona na inona amin'ireo nofy ireo. 21 Fa nalahelo ny foko, ary naratra mafy aho. 22 Tsy nahalala aho ary tsy lalin-tsaina; tahaka ny biby adala aho manoloana Anao. 23 Fa miaraka aminao foana anefa aho; mitantana ny tanan-kavanako Ianao. 24 Hanoro lalana ahy amin'ny torohevitra Ianao ary rehefa afaka izany dia raiso ao amin'ny voninahitra aho. 25 Manana an'iza afa-tsy Ianao moa aho any an-danitra? Tsy misy na iza na iza iriko afa-tsy Ianao eto an-tany. 26 Miha-malemy ny nofoko sy ny foko, kanefa Andriamanitra no tanjaky ny foko mandrakizay. 27 Ho levona ireo izay lavitra Anao; ho ravànao ireo izay tsy mahatoky Anao. 28 Fa raha ny amiko, ny hany tokony hataoko dia ny manatona an'Andriamanitra. Nataoko fialofako ilay Yaveh Tompo. Hanambara ireo asanao rehetra aho.