Salamo faha 72

Salamo nataon'i Solomona. 1 Omeo ny mpanjaka ireo lalànao marina, ny fahamarinanao ho an'ny zanaky ny mpanjaka, ry Andriamanitra. 2 Hitsara am-pahamarinana ny olonao ary am-pahitsiana ny mahantranao anie izy. 3 Hamokatra fiadanana ho an'ny olona anie ireo tendrombohitra; hamokatra fahamarinana anie ireo havoana. 4 Hitsara ny mahantran'ny olona anie izy; hanavotra ny zanak'ireo mila fanampiana anie izy ary hamotipotika ny mpandrava. 5 Hanome voninahitra Anao anie izy ireo raha mbola eo koa ny masoandro, ary raha mbola eo foana hatramin'ny taranaka hifandimby rehetra ny volana. 6 Hirotsaka tahaka ny orana eo amin'ny ahitra voatapaka anie Izy, tahaka ny rotsak'orana izay mandena ny tany. 7 Hamony amin'ny androny anie ny marina, ary hisy fiadanana maro anie mandra-pahatsisy ny volana intsony. 8 Hanapaka amin'ny ranomasina mankamin'ny ranomasina anie izy, ary hatrany amin'ny Loharano ka hatrany amin'ny faran'ny tany. 9 Hiankohoka eo anatrehany anie ireo izay monina any amin'ny tany efitra; hilelaka ny vovoka anie ireo fahavalony. 10 Hanome foko anie ireo mpanjakan'i Tarsisy sy ireo nosy; hanolotra fanomezana anie ireo mpanjakan'i Sheba sy Seba. 11 Eny tokoa, hiankohoka eo anatrehany anie ireo mpanjaka rehetra; hanompo azy anie ireo firenena rehetra. 12 Fa manampy ny olona mila fanampiana izay mitomany sy ny olona mahantra izay tsy manana mpanampy hafa izy. 13 Miantra ny mahantra sy izay mila fanampiana izy, ary manavotra ny ain'ireo olona izay mila fanampiana. 14 Mamonjy ny ain'izy ireo amin'ny fampahoriana sy herisetra izy, ary sarobidy eo imasony ny ràn'izy ireo. 15 Ho velona anie izy! Homena azy anie ny volamenan'i Sheba. Hivavaka ho azy mandrakariva anie ny olona; hitahy azy amin'ny andro rehetra anie Andriamanitra. 16 Hisy fahabetsaham-bary anie amin'ny tany; hievaeva any an-tampon-tendrombohitra anie ny vokatr'izy ireo. Ho tahaka an'i Libanona anie ny voan'izany; hamony amin'ny tanànan'izy ireo tahaka ny ahitry ny saha anie ny olona. 17 Haharitra mandrakizay anie ny anarany; haharitra tahaka ny masoandro anie ny anarany; ho voatahy ao aminy anie ny olona; hiantso azy hoe sambatra anie ny firenena rehetra. 18 Isaorana anie Yaveh Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely, izay Izy irery no manao ireo zava-mahagaga. 19 Isaorana mandrakizay anie ny anarany be voninahitra, ary ho feno ny voninahiny anie ny tany iray manontolo. Amena dia Amena! 20 Tapitra ireo fivavahan'i Davida zanak'i Jese. Boky Fahatelo