1 Ao Aminao aho, ry Yaveh, no mialoka; aoka tsy ho afa-baraka mandrakizay aho. 2 Vonjeo aho ary aoka hitoetra tsy amin'ahiahy ao amin'ny fahamarinanao aho; atongilano amiko ny sofinao ary vonjeo aho. 3 Meteza ho vatolampy fialofako any amin'izay mety handehanako Ianao; efa nanome didy mba hamonjy ahy Ianao, satria vatolampiko Ianao ary fiarovako mafy. 4 Avoty amin'ny tanan'ireo ratsy fanahy, amin'ny tanan'ireo tsy marina sy ny lozabe aho, ry Andriamanitro. 5 Fa fanantenako Ianao, ry Yaveh Tompo. Efa natoky Anao aho hatramin'ny mbola zaza. 6 Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no ilay namoaka ahy avy tao an-kibon-dreniko; ho momba Anao hatrany anie ny fiderako. 7 Ohatra ho an'ny olona maro aho; fialofako mahery Ianao. 8 Ho feno ny fideranao ny vavako, ary ny andro rehetra amin'ny voninahitrao. 9 Aza ariana aho amin'ny fotoana fahanterako; aza mahafoy ahy rehefa ketraka ny tanjako. 10 Fa ireo fahavaloko dia miresaka momba ahy; ireo izay mijery ny fiainako dia miara-mitetika. 11 Hoy izy ireo hoe: "Efa nahafoy azy Andriamanitra; nanenjika azy ary naka azy, fa tsy misy na iza na iza hamonjy azy." 12 Ry Andriamanitra, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitro, faingana hanampy ahy. 13 Ireo fahavalo amin'ny fiainako, aoka izy ireo ho afa-baraka ka ho rava; ireo izay mitady ny faharatrako, aoka izy ireo ho saron'ny latsa sy ny fahafaham-baraka. 14 Fa hanantena ao Aminao mandrakariva aho ary hidera Anao hatrany hatrany. 15 Hiteny momba ny fahamarinanao sy ny famonjenao amin'ny andro rehetra ny vavako, na dia tsy takatro aza izany. 16 Ho tonga miaraka amin'ireo asa maherin'i Yaveh Tompo aho; hanonona ny fahamarinanao aho, ny Anao irery ihany. 17 Ry Andriamanitra, efa nampianatra ahy Ianao nanomboka tamin'ny fahatanorako; koa na ankehitriny aza dia manambara ireo asanao mahagaga aho. 18 Eny tokoa, na dia rehefa antitra sy fotsy volo aza aho, ry Andriamanitra, dia aza mahafoy ahy, satria efa nanambara ny herinao tamin'ny taranaka mandimby aho, ary ny fahefanao izay ho avy amin'ny rehetra. 19 Ny fahamarinanao ihany koa, ry Andriamanitra, dia avo tokoa; nahavita zavatra lehibe Ianao, ry Andriamanitra, iza no toa Anao? 20 Ianao izay nampiseho korontana maro mahery vaika taminay no hampivelona anay indray ary hampiakatra anay indray avy ao amin'ny lalin'ny tany. 21 Hampitombo ny voninahitro anie Ianao; mitodiha indray ary hampaherezo aho. 22 Hanolotra fisaorana ho an'ny fahamendreham-pitokisanao amin'ny lokanga ihany koa aho, ry Andriamanitro; ho Anao no hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry ilay Iray Masin'Israely. 23 Hihiaka am-pifaliana ny molotro rehefa mihira fiderana ho Anao aho_eny fa na dia ny fanahiko, izay novonjenao aza. 24 Hiresaka momba ny fahamarinanao amin'ny andro rehetra ihany koa ny lelako; satria ireo izay nitady ny faharatrako, dia efa nataon'izy ireo afa-baraka sy very hevitra.