Salamo faha 70

Ho an'ilay mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida; mba hitondra ho amin'ny fahatsiarovana. 1 Vonjeo aho, ry Yaveh! Andriamanitra, tongava faingana ary ampio aho. 2 Ireo izay mikasa hamono ahy dia aoka ho afa-baraka sy ho voaeso; ireo izay mifaly amin'ny fijaliako, dia aoka ho averina sy ho entina amin'ny fahafaham-baraka. 3 Ireo izay manao hoe: "Aha, aha." dia aoka ho averina nohon'ny fahamenaran'izy ireo. 4 Aoka ireo rehetra izay mitady Anao hifaly sy ho ravo ao Aminao; aoka ireo izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Ho deraina anie Andriamanitra." 5 Fa mahantra sy mila fanampiana aho; faingana amiko, ry Andriamanitra; vonjiko Ianao ary Ianao dia manavotra ahy. Ry Yaveh, aza ela.